Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Sela Mamantatra ny Asany ao Amin’ny Vatan’ny Olombelona

Ny Fahaizan’ny Sela Mamantatra ny Asany ao Amin’ny Vatan’ny Olombelona

 Sela iray fotsiny isika tamin’ny vao niforona, ary tsy hita ilay izy raha tsy amin’ny mikraoskaopy. Lasa zazakely anefa ilay sela, volana vitsivitsy atỳ aoriana. Nihabetsaka mantsy ilay sela tokana, dia nanome karazana sela 200 mahery, izay samy hafa paozy, habe, ary asa.

 Diniho izao: Lasa sela roa ilay sela tokana, dia mitovy ny ADN ao amin’izy ireo. Samy manao hoatr’izay im-be dia be ireo sela tsirairay. Mitovy tanteraka ireo sela amin’ny voalohany. Hita ao amin’ny ADN amin’ny sela tsirairay ny fanazavana ilaina mba hanamboarana ny karazana sela rehetra.

 Mizara ho karazany roa ireo sela, herinandro aorian’ny niforonan’ilay sela tokana. Ho lasa zazakely ilay karazany voalohany. Ilay faharoa kosa ho lasa tavòny sy izay ilain’ilay zaza mba hitomboany.

 Lasa sosona telo ireo sela ho lasa zazakely, amin’ny herinandro fahatelo. Ho lasa sela ao amin’ny atidoha, vava, hoditra, ary sela hafa ireo sela amin’ilay sosona ivelany indrindra. Ho lasa ra, taolana, voa, hozatra, ary zavatra hafa kosa ireo eo amin’ny sosona ampovoany. Ireo sela amin’ny sosona anatiny indrindra indray ho lasa taova, ohatra hoe havokavoka, tatavia, ary ampahany betsaka amin’ny taovam-pandevonan-kanina.

Rehefa mitombo ny zaza am-bohoka, dia mihabetsaka ny sela ao anatiny ka manome karazana sela 200 mahery

 Mifindra any amin’ny faritra sasany amin’ilay zazakely ny sela tsirairay na ny sela maromaro, mandritra ny fotoana maha ao am-bohoka an’ilay zaza. Ny sela hafa indray mitambatambatra dia manome endrika isan-karazany, ohatra hoe hoatran’ny lamba manify, hoatran’ny tady, na hoatran’ny paosy. Tsy maintsy hoe miara-miasa tsara ireo sela vao lasa hoatr’izany. Misy fotoana, ohatra, miolanolana ireo sela lasa hoatran’ny lamba manify, ka lasa hoatran’ny fantsona madinika. Mitranga amin’ny fotoana iray izany, manerana ny vatan’ilay zazakely. Mihalava avy eo ireo fantsona ireo, ary misampantsampana sy mifandray, dia vita tanteraka ny lalan-dra rehetra.

 Rehefa ho teraka ilay zazakely, dia efa misy sela ana hetsy tapitrisany maro ao anatiny. Efa samy manana ny paoziny avy ireo sela ireo sady efa eo amin’ny toerana tokony hisy azy, tamin’ny fotoana mety.

 Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny sela mamantatra ny asa tokony hataony ao amin’ny vatan’ny olombelona, sa nisy namorona?