Hijery ny anatiny

Fifandraisana Amin’Andriamanitra

Tsy mora ny hoe mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Ho sambatra anefa ianao raha manao an’izany. Nahoana? Jereo ato ny valiny.

Finoana An’Andriamanitra

Tanora Miresaka Momba ny Finoana An’Andriamanitra

Ho hitanao ato amin’ity video maharitra telo minitra ity hoe nahoana ny tanora sasany no mino fa misy ny Mpamorona.

Nahoana Aho no Mino fa Misy Andriamanitra?

Hahita tanora roa ianao ato. Nanao fikarohana ry zareo dia tsy nisalasala intsony sady nihanatanjaka ny finoany.

Nahoana Aho no Mino? Evolisiona sa ny Mpamorona?

Hazavain’i Fabian sy Marith hoe ahoana no niarovany ny finoany, rehefa nianatra momba ny evolisiona ry zareo tany am-pianarana.

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 1: Haiko ve ny Manaporofo fa Misy Andriamanitra?

Mino ve ianao fa tena misy Andriamanitra? Tianao ve raha tsy menatra na matahotahotra ianao, rehefa manazava an’izany? Ato misy torohevitra.

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 2: Tena Mitombina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona?

Diniho ato ireo antony roa tokony handinihana raha marina na tsia ny fampianarana momba ny evolisiona.

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 3: Nisy Namorona Tokoa ve Izao Rehetra Izao?

Manohitra ny siansa ve ianao raha mino fa nisy namorona izao rehetra izao?

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 4: Ahoana no Hanazavako hoe Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

Tsy mila mahay siansa be ianao vao ho afaka hanazava ny antony mahatonga anao hino fa misy ny Mpamorona. Ampiasao ny fanazavana tsotra nefa mitombina tsara avy ao amin’ny Baiboly.

Nahoana Aho no Mino An’Andriamanitra?

Aza menatra rehefa misy manontany ny zavatra inoanao. Miomàna kosa, ary valio am-panajana ilay olona.

Fomba Hanatonana An’Andriamanitra

Nahoana Aho no Tokony Hivavaka?

Tena zava-dehibe ve ny vavaka, sa natao mba hampitony ny saina fotsiny?

Te Hanatsara ny Vavaka Ataonao ve Ianao?

Hanampy anao handinika ny zavatra resahinao amin’ny vavaka sy hanatsara an’izany ity fampiasana ity.

Fa Maninona Aho no Tokony Handeha Hivory?

Mivory indroa isan-kerinandro any amin’ny toerana antsoina hoe Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona avy no atao mandritra an’ireny fivoriana ireny? Ary inona ny soa horaisinao raha mankany ianao?

Ahoana no Hialako Amin’ilay hoe Mody Hendry Fotsiny?

Dingana efatra hanampy anao hiala amin’io fomba fiaina io.

Olona ao Amin’ny Baiboly

Hajao ny Zava-masina!

Ahoana no ampisehoanao fa manaja zava-masina ianao?

Nanetry Tena Izy Rehefa Nanarina

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nampisaintsainan’i Natana an’i Davida?

Arovy ny Fivavahana Marina!

Amin’ny fotoana inona ianao no mila fahasahiana kokoa mba hiarovana ny fivavahana marina?

Nositranin’i Jehovah i Hezekia

Tianao ve ny hanatsara ny vavaka ataonao? Vakio ilay tantara.

Tsy May Nefa Natsipy tao Anaty Lafaoro Mirehitra

Nahoana no zava-dehibe ny tsy mivadika amin’ny zavatra inoanao?

Namaly ny Vavaka Nataon’i Nehemia Andriamanitra

Inona no nanampy an’i Nehemia rehefa nisy nanohitra izy, ary inona no ianarantsika avy aminy?

Tsara Fanahy ve Ianao?

Inona no azonao ianarana avy amin’ny tantaran’ilay Samaritanina tsara fanahy?

Mamaky sy Mianatra Baiboly

Ny Hevitry ny Tanora Momba ny Famakiana Baiboly

Tsy dia mahaliana foana ny mamaky teny, nefa tena mahasoa ny mamaky Baiboly. Ireto misy tanora efatra mitantara ny soa raisiny avy amin’ny famakiana Baiboly.

Tena Mahasoa Ahy ve ny Baiboly?

Ho sambatra kokoa ianao raha fantatrao ny valin’izany.

Nahoana Aho no Mino? Ny Fitsipik’i Jehovah no Tsara Indrindra

Tanora manazava hoe ahoana no nataony mba tsy ho ratsy fiafara hoatran’ny ankizy sasany niara-nianatra taminy ry zareo.

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 1: Fantaro Izay Resahin’ny Baiboly

Ahoana no hataonao raha mahita vata tranainy be fametrahana harena sarobidy ianao? Tsy mba tianao hojerena ve ny ao anatiny? Hoatran’io vata io mihitsy ny Baiboly. Misy harena sarobidy be ao anatiny.

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 2: Ataovy Mahafinaritra ny Famakiana Baiboly

Misy soso-kevitra dimy ato hanampy anao hahazo sary an-tsaina an’izay vakinao ao amin’ny Soratra Masina.

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 3: Ataovy Izay Handraisana Soa Faran’izay Betsaka Rehefa Mamaky Baiboly

Soso-kevitra efatra afaka manampy anao handray soa faran’izay betsaka rehefa mamaky Baiboly.

Mihamatotra Ara-panahy

Inona no Azoko Atao mba Hiasa Tsara ny Feon’ny Fieritreretako?

Hita amin’ny fomba fiasan’ny feon’ny fieritreretanao hoe olona hoatran’ny ahoana ianao ary inona no zava-dehibe aminao. Diniho àry hoe olona hoatran’ny ahoana ianao.

Inona no Tokony Hataoko Raha Nanao Fahadisoana Aho?

Mety tsy ho sarotra be araka ny ieritreretanao azy ny vahaolana.

Tokony Hatao Batisa ve Aho? Inona no Dikan’ny hoe Batisa?

Raha mieritreritra ny hatao batisa ianao, dia tokony ho fantatrao aloha ny dikan’ny hoe atao batisa.

Tokony Hatao Batisa ve Aho? Inona no Tokony Hataoko Raha Te Hatao Batisa Aho?

Misy fanontaniana hanampy anao ato mba hahita hoe vonona ny hatao batisa ve ianao.

Tokony Hatao Batisa ve Aho? Inona no Manakana Ahy?

Matahotra ve ianao hoe hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa? Hanampy anao ity lahatsoratra ity.

Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 1: Tohizo Izao Efa Ataonao Izao

Ataovy izay hahatonga anao hifandray kokoa amin’Andriamanitra rehefa vita batisa ianao. Tohizo foana ireto: Mianatra Baiboly, mivavaka, mitory, ary mivory.

Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 2: Aza Mivadika Mihitsy

Jereo ato hoe inona no azonao atao mba hahatonga anao hahavita hitana ny voady nataonao tamin’i Jehovah, tamin’ianao nanokan-tena.

Nahoana Aho no Mino? Mandresy ny Tsy Rariny ny Fitiavana

Inona no azontsika atao mba hanjaka ny fitiavana na dia eo aza ny tsy rariny?

Tiako Be Mihitsy ny Fiainako

Te ho afa-po eo amin’ny fiainana ve ianao? Tantarain’i Cameron ato hoe ahoana no nahatonga azy ho afa-po rehefa nankany amin’ny toerana iray.