MANONTANY NY TANORA HOE
Mifantoka Be Loatra Amin’ny Bikako ve Aho?
Fantaro raha lasa tafahoatra ilay izy.
Iza amin’ireto no tena tsapanao?
Tsy mety tiako mihitsy ny paoziko.
Mba tiako ihany ny paoziko indraindray.
Mety amiko foana ny paoziko, tsy mampaninona ahy.
Inona no tena tianao hovana?
Halavana
Lanja
Bika
Volo
Lokon’ny hoditra
Bokona hozatra
Zavatra hafa
Fenoy ny banga.
Tsy tiako maizina ny bikako, indrindra...
isaky ny avy milanja aho.
isaky ny mijery fitaratra aho.
isaky ny mampitaha ny tenako amin’olona (namana, mpanao filma, mpilatro) aho.
Fenoy ny banga.
Milanja aho...
isan’andro.
isan-kerinandro.
isam-bolana.
Iza amin’ireto no tena tsapanao?
Ratsy bika be aho. (“Matavy be sy ratsy tarehy ny fahitako ahy eo amin’ny fitaratra. Nisy fotoana aza aho efa tsy nisakafo mihitsy mba hihena.”—Serena.)
Tsy dia tsara aho fa tsy mampaninona. (“Tsy maintsy hoe misy zavatra tsy tianao foana amin’ny tenanao nefa tsy azonao ovana. Aza ivakiana loha fotsiny ilay izy.”—Natanya.)
Milaza ny Baiboly fa tsy mety ny mihevi-tena “mihoatra noho izay tokony hoheverina.” (Romanina 12:3) Midika izany fa tokony hieritreritra ny tenanao ihany ianao, saingy tsy atao tafahoatra. Mila mikarakara ny tenanao àry ianao, ohatra hoe miborosy nify sy manao madio tsara.
Ahoana anefa raha kivy foana ianao noho ny bikanao, ka lasa izany foana no eritreretinao? Diniho izao:
‘Nahoana no tsy tiako ny bikako?’
Mety ho ireto ny anton’izany:
Tele sy boky ary Internet. “Sarin’olona mahia kely foana no hitanao, dia lasa mieritreritra ianao hoe tokony ho hoatr’izany koa ianao raha te ho manja. Fa raha vao tsy mitovy amin’ireny ianao, dia hoatran’ny hoe ratsy be!”—Kellie.
Ray aman-dreny. “Raha vao mieritreritra bika sy tarehy foana ny reniny, dia lasa hoatr’izany koa ny zanany vavy. Fa na ny ankizilahy koa aza misy manao an’izany, raha hoatr’izany ny dadany.”—Rita.
Mihevi-tena ho tsy misy dikany. “Misy olona tsy matoky tena mihitsy raha tsy mandokadoka azy ny hafa. Mahakamo be ny miaraka amin’ny ankizy hoatr’izany.”—Jeanne.
Eritrereto àry hoe...
‘Tokony hovako ve ny paoziko?’
Izao no nolazain’ny tanora sasany:
“Tsy azonao ovana daholo izay zavatra tsy tianao amin’ny tenanao, fa aleo tonga dia tsy raharahaina fotsiny. Mety tsy ho tsikaritry ny olona akory ilay izy, raha ohatra ka tsy eritreretinao be.”—Rori.
“Ataovy fotsiny izay hahasalama anao. Lasa mba metimety tsara manko ianao rehefa salama. Sady tsy tena namana koa ny olona iray raha ny paozinao no tena jereny (fa tsy mba ny toetranao).”—Olivia.
Tadidio àry izao: Manaova metimety nefa aza dia miasa saina be loatra amin’ny paozinao, satria mety hisy vokany ratsy izany. (Jereo ny “ Tantaran’i Julia.”)
Raha mahay mandanjalanja koa ianao, dia ho hitanao ihany hoe hay mba misy tsara ihany aminao. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Erin: “Tsy hoe tiako be foana aloha ny bikako e. Fa hitako hoe rehefa mifantoka be amin’izay ratsy amin’ny tenako aho, dia lasa mieritreritra hoe hay ity izaho ity tena ratsy be. Aleoko manao spaoro sy misakafo tsara fotsiny, dia mety ho azy ny ambiny!”
Tena te ho tsara ve ianao?
Raha tsy miferinaina be amin’izay paozinao ianao, dia hahatsapa hoe metimety. Ary na ny mijery anao aza mahafinaritra. Ireto misy torohevitra tsara avy ao amin’ny Baiboly:
Aza mitady ny tonga lafatra. “Aleo mifaly amin’izay ananana, toy izay mitady ny tsy hita. Tsy misy dikany mantsy izany fa toy ny manenjika rivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 6:9, Dikan-teny Anglisy Maoderina.
Manaova spaoro amin’ny antonony. “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena”—1 Timoty 4:8.
Ny toetranao no hatsarao. “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”—1 Samoela 16:7.
“Tonga dia hita amin’ny tarehinao raha miferinaina ianao na tsia. Raha matoky tena ianao dia voamariky ny olona izany, dia lasa mahafinaritra azy ny miaraka aminao.”—Sarah.
“Mety hoe taitra kely amin’ny tarehinao ny olona raha manja ianao, fa ny toetranao anefa no tena ho tadidiny.”—Phylicia.
Jereo koa ny Ohabolana 11:22; Kolosianina 3:10, 12; 1 Petera 3:3, 4.