Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Inona no Ataoko fa Ampijalin’ny Ankizy Aho?

Inona no Ataoko fa Ampijalin’ny Ankizy Aho?

 Tena mizaka ny mafy ny ankizy misy mampijaly. Niharan’izany ny 40 isan-jato mahery amin’ny ankizy namono tena tany Grande-Bretagne, araka ny fanadihadiana natao tany.

 Inona no karazana fampijaliana ataon’ny ankizy?

 Tsy herisetra ara-batana ihany no atao hoe fampijaliana. Mety ho anisan’izany koa ireto:

  •   Milaza teny maharary. Hoy i Sendra, 20 taona: ‘Mahay vava ny ankizivavy indraindray. Tsy hadinoko mihitsy ny anaram-petaka niantsoan-dry zareo ahy sy ny zavatra nolazainy. Nailikiliny aho sady nataony tsinontsinona. Naleoko nomena totohondry, toy izay niaritra ny esoeson-dry zareo.’

  •   Manilikilika. Hoy i Haley: “Nihatakatahan’ny ankizy aho. Nibahanan-dry zareo ny toerana, dia tsy afaka niara-nisakafo taminy aho. Nitomany sy nisakafo irery aho nandritra ny herintaona.”

  •   Mampijaly amin’ny alalan’ny Internet. Hoy i Daniel, 14 taona: “Teny kely fotsiny soratana amin’ny ordinatera, dia efa mety hanimba ny lazan’ny olona iray, ary mety hamoizany ny ainy mihitsy. Hoatran’ny hoe manitatra aho, kanefa tena mety hitranga izany!” Eo koa ny fandefasana sary na SMS manala baraka, amin’ny alalan’ny finday.

 Nahoana ny ankizy no mampijaly kely?

 Ireto misy antony vitsivitsy.

  •   Efa nisy nampijaly izy. Hoy i Antonio: “Leo be aho ampijalin’ny ankizy, dia mba nampijaly koa, amin’izay aho mba tian-dry zareo. Tsapako, tatỳ aoriana, hoe tena tsy nety ny nataoko.”

  •   Ohatra ratsy no nalainy tahaka. Hoy i Jay McGraw, tao amin’ilay bokiny hoe Fomba Hiadiana Amin’ny Mpampijaly Kely (anglisy): ‘Izay hitany ataon’ny ray aman-dreniny na ny zokiny lahy na ny zokiny vavy na ny havany no ataon’ny ankizy mpampijaly kely, matetika, rehefa mifandray amin’ny hafa izy.’

  •   Miseho ho ambony noho ny hafa izy, nefa tsy matoky tena, raha ny marina. Hoy i Barbara Coloroso, ao amin’ilay bokiny hoe Ireo Mpampijaly Kely sy Ireo Ampijalina ary ny Mpitazana (anglisy): “Matetika no miseho ho ambony noho ny hafa ny ankizy mpampijaly kely, mba hanaronana ny alahelony sy ny tsy fahaizany.”

 Iza no tena lasibatra?

  •   Ireo mitokantokana. Misy tanora tsy mahay mifandray amin’ny hafa fa mitokantokana, ka lasa lasibatry ny mpampijaly kely.

  •   Ireo hita fa tsy mitovy amin’ny hafa. Misy mampijaly ny ankizy sasany noho ny paoziny, firazanany, fivavahany, kilemany, na zavatra hafa azon’ny mpampijaly kely ananihaniana azy.

  •   Tanora tsy matoky tena. Tonga dia voamariky ny mpampijaly kely ny ankizy tsy mahazo aina, ka ataony lasibatra avy hatrany satria tsy atahorany hanohitra azy.

 Inona no azonao atao raha iharan’izany ianao?

  •   Aza raharahaina ilay izy. Hoy i Kylie: “Faly erỳ ny mpampijaly kely raha nampalahelo anao ny nataony. Tsy hampijaly anao intsony izy, raha tsy raharahainao.” Hoy ny Baiboly: ‘Mahatsindry fo hatramin’ny farany ny hendry.’—Ohabolana 29:11.

  •   Aza mamaly faty. Tsy ho voavaha ny olana fa vao mainka hitombo, raha mamaly faty ianao. Hoy ny Baiboly: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.”—Romanina 12:17; Ohabolana 24:19.

  •   Aleo misoroka. Aza mankany amin’izay toerana mety hisy hampijaly anao. Andosiro koa ireo mpampijaly.—Ohabolana 22:3.

  •   Zavatra tsy ampoiziny no amalio azy. Hoy ny Baiboly: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.”—Ohabolana 15:1.

  •   Mahaiza manao vazivazy. Raha miteny anao ry zareo hoe matavy be ianao, dia aza taitra fa valio fotsiny hoe: “Tsy andairan’ny adim-piainana e!”

  •   Mandehana mandeha. Hoy i Nora, 19 taona: “Hita hoe matotra sy be herim-po kokoa ianao raha tsy mamaly. Hita koa hoe mahafehy tena ianao, nefa tsy hoatr’izany mihitsy ny mpampijaly kely.”

  •   Miezaha hatoky tena. Hoy i Rita: “Tonga dia hitan’ny mpampijaly kely ianao raha vao tsy mahazo aina, ka mety hararaotiny. Vao mainka ianao ataony tsy matoky tena.”

  •   Resaho amin’ny hafa ilay izy. Ny antsasany mahery amin’ireo ankizy misy mampijaly ao amin’ny Internet no tsy miteny amin’ny hafa. Angamba izy menatra (indrindra ny ankizilahy), na matahotra valifaty. Vao mainka anefa manararaotra ny mpampijaly kely, rehefa tsy miteniteny ianao. Ny miresaka angamba no dingana voalohany hamahana an’ilay olana.