MANONTANY NY TANORA
Nahoana Aho no Tokony Hivavaka?
Araka ny fanadihadiana iray tany Amerika, dia ny 80 isan-jaton’ny tanora any no mivavaka. Ny antsasak’ireo ihany anefa no mivavaka isan’andro. Mety hieritreritra àry ny sasany amin’izy ireo hoe: ‘Tena zava-dehibe ve ny vavaka, sa natao mba hampitony ny saina fotsiny?’
Inona no atao hoe mivavaka?
Miresaka amin’ilay Mpamorona ny zava-drehetra isika rehefa mivavaka. Tena tombontsoa be mihitsy izany! Ambony lavitra noho ny olombelona rehetra i Jehovah, nefa “tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Manasa antsika mihitsy aza ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.
Ahoana no fomba hanatonana an’Andriamanitra?
Mivavaka. Miresaka amin’Andriamanitra mantsy ianao amin’izay.
Mianatra Baiboly. “Miresaka” aminao indray Andriamanitra amin’izay.
Hanampy anao hifandray tsara amin’Andriamanitra ny mivavaka sy mianatra Baiboly.
“Tena tombontsoa be mihitsy izany hoe miresaka amin’i Jehovah izany. Izy mantsy no Avo Indrindra.”—Jeremy.
“Vao mainka aho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah, rehefa resahiko aminy daholo izay tena ao am-poko.”—Miranda.
Tena mihaino vavaka ve Andriamanitra?
Mety ho sarotsarotra aminao ihany ny hino hoe tena mihaino vavaka Andriamanitra, na dia mino azy sy mivavaka aminy aza ianao. Milaza anefa ny Baiboly fa “Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2) Manasa anao mihitsy aza izy io hoe: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo.” Nahoana? “Satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.
Eritrereto Izao: Miresaka matetika amin’ny namanao akaiky ve ianao? Dia hoatr’izany koa no tokony hataonao amin’Andriamanitra. Mivavaha aminy foana, ary tonòny ilay anarana hoe Jehovah rehefa manao an’izany ianao. (Salamo 86:5-7; 88:9) Ny Baiboly mihitsy no manasa anao hoe: “Aza mitsahatra mivavaka.”—1 Tesalonianina 5:17.
“Miresaka amin’ilay Raiko any an-danitra aho rehefa mivavaka, sady afaka mamboraka an’izay rehetra ato am-poko.”—Moises.
“Hoatran’ny ataoko amin’i Neny sy ny namako akaiky ihany no ataoko rehefa miresaka amin’i Jehovah aho. Resahiko aminy daholo izay ato am-poko.”—Karen.
Inona avy no azo resahina amin’ny vavaka?
Milaza ny Baiboly hoe: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”—Filipianina 4:6.
Midika ve izany fa azontsika resahina amin’Andriamanitra daholo ny olana mahazo antsika? Eny! Milaza mihitsy ny Baiboly hoe: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.”—Salamo 55:22.
Tsy izay olana mahazo anao fotsiny anefa no tokony horesahinao rehefa mivavaka ianao. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Chantelle: “Tsy tena naman’i Jehovah aho, raha mangataka foana isaky ny mivavaka aminy. Tokony hisaotra an’azy aloha aho, ary tokony ho be dia be mihitsy ny zavatra tokony hisaorako an’azy.”
Eritrereto Izao: Inona avy ny zavatra azonao isaorana an’i Jehovah? Mieritrereta zavatra telo azonao isaorana azy androany.
“Rehefa mahita voninkazo tsara tarehy fotsiny aza ianao, dia efa afaka misaotra an’i Jehovah.”—Anita.
“Eritrereto hoe inona no zavaboary tena mahagaga anao, na andinin-teny tena mampahery anao, dia isaory i Jehovah avy eo.”—Brian.