MANONTANY NY TANORA
Ahoana no Tokony Hataoko Rehefa Misy Manome Torohevitra Aho?
Ahoana no ataonao?
Mila torohevitra daholo isika indraindray. Manampy antsika hanatsara ny zavatra ataontsika sy ny toe-tsaintsika izany. Diniho àry izay ataonao amin’ireto toe-javatra manaraka ireto.
● Nanao famelabelarana ianao tany am-pianarana. Milaza aminao anefa ny mpampianatra hoe tsy nomaninao tsara ilay izy. Miteny izy hoe: “Mila mikaroka kokoa ianao.”
Ahoana no ataonao?
Tsy manaiky an’ilay torohevitra. (‘Tsy tia an’ahy mihitsy io mpampianatra io.’)
Manaiky an’ilay torohevitra. (‘Hiezaka kokoa aho amin’ny manaraka.’)
● Milaza ny mamanao hoe mikorontana ny trano. Vao avy nampirina an’ilay izy mihitsy anefa ianao.
Ahoana no ataonao?
Tsy manaiky an’ilay izy. (‘Tsy mba faly mihitsy koa ry Mama.’)
Manaiky an’ilay izy. (‘Tsy tena nilamina tsara aloha ilay izy e!’)
● Milaza ny zandrinao hoe tsy tiany ilay ianao mibaikobaiko azy foana.
Ahoana no ataonao?
Tsy manaiky an’ilay izy. (‘Izy mihitsy aza no tena hoatr’izany, dia izy indray ve no mba miteny an’ahy!’)
Manaiky an’ilay izy. (‘Ao fa ho tsara fanahy kokoa aho amin’ny manaraka.’)
Mora tezitra na malahelo ny tanora sasany raha vao tenenina kely fotsiny. Hoatr’izany koa ve ianao? Ho voa mafy ianao raha izany. Tena mahasoa anao mantsy ilay hoe mahay mandray torohevitra, na amin’izao na amin’ny hoavy.
Nahoana aho no mila torohevitra?
Tsy lavorary ianao. Milaza ny Baiboly hoe: “Manao fahadisoana imbetsaka ... isika rehetra.” (Jakoba 3:2) Mila torohevitra daholo àry isika.
“Miezaka mitadidy foana aho hoe tsy lavorary daholo isika, dia ara-dalàna raha manao diso. Rehefa misy manitsy aho dia miezaka mandray lesona avy amin’ilay izy sady tsy mamerina intsony.”—David.
Mbola afaka mihatsara ianao. Hoy ny Baiboly: “Ampianaro ny hendry dia vao mainka ho hendry.” (Ohabolana 9:9) Handray soa ianao raha manaiky torohevitra.
“Tsy tiako mihitsy taloha ilay hoe omena torohevitra. Hoatran’ny manambany an’ahy ilay izy. Tsy hoatr’izany intsony anefa aho izao fa ekeko izay torohevitra omena an’ahy. Indraindray aza izaho mihitsy no mangataka torohevitra. Tiako ho fantatra mantsy hoe inona no azoko hatsaraina.”—Selena.
Mora ny mandray torohevitra rehefa ianao no nangataka an’ilay izy. Mety ho sarotra anefa izany raha tsy nanampo hahazo torohevitra ianao. Nisy nanome karta kely, ohatra, i Natalie, ary torohevitra ho azy no tao amin’ilay izy. Hoy i Natalie: “Tsy nampoiziko ilay izy, dia kivy be aho. ... Tena efa niezaka aho, nefa mbola fanakianana ihany no azoko.”
Efa nitranga taminao ve ny hoatr’izany? Inona no azonao atao raha izany?
Inona no hanampy ahy handray tsara ny torohevitra omena ahy?
Henoy tsara ilay torohevitra.
Milaza ny Baiboly hoe: “Manana ny tena fahalalana ny olona mahafehy ny vavany, ary tony ny olona mahay manavaka.” (Ohabolana 17:27) Aza tapahina ny tenin’ilay olona miresaka aminao. Aza maika hamaly koa, satria mety hilaza zavatra hanenenanao ianao.
“Te hiaro tena foana aho rehefa misy manome torohevitra. Tokony handray lesona avy amin’ilay izy anefa aho, dia miezaka manao tsara kokoa amin’ny manaraka.”—Sara.
Mifantoha amin’ilay torohevitra fa tsy amin’ilay olona manome azy.
Angamba ianao tonga dia te hilaza ny fahadisoan’ilay olona manome torohevitra anao. Tsara lavitra anefa ny hoe ‘mailaka hihaino, tsy maika hiteny, tsy mora tezitra’, araka ny torohevitry ny Baiboly. (Jakoba 1:19) Mety tsy te hihaino olona iray ianao, satria eritreretinao hoe manakiana izy. Mety hisy marina ihany anefa ny zavatra lazainy sady tena ilainao. Ho matiantoka ianao raha tsy mihaino azy.
“Tezitra aho taloha rehefa nahitsin’i Dada sy Neny. Hozy foana aho hoe ‘efa fantatro izany e!’ Mandray soa kokoa anefa aho rehefa tena mihaino an-dry zareo sy mampihatra ny torohevitra omeny.”—Edward.
Mahaiza mandanjalanja.
Rehefa misy manome torohevitra anao, dia aza mieritreritra hoe tsy mba mahavita zavatra tsara mihitsy ianao. Asehon’izany kosa hoe manao fahadisoana hoatran’ny olona rehetra ihany ianao. Na ilay olona manitsy anao aza mbola mila torohevitra koa indraindray. Milaza ny Baiboly hoe: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.”—Mpitoriteny 7:20.
“Nisy namako iray izay nanome torohevitra ahy. Nieritreritra aho hoe tsy nilaiko ilay izy. Nisaotra azy ihany aho, nefa tezitra koa. Hitako, tatỳ aoriana, hoe nisy marina ny zavatra nolazainy. Hitako koa hoe inona no nila nohatsaraiko. Mety tsy ho tao an-tsaiko mihitsy izany raha tsy niteny izy.”—Sophia.
Ampiharo ilay torohevitra.
Milaza ny Baiboly hoe “malina ... izay mihaino fananarana.” (Ohabolana 15:5) Raha ekenao ilay torohevitra, dia tsy hifantoka be amin’izay zavatra nampalahelo nolazain’ilay olona ianao. Hahavita hanitsy an’izay tsy mety koa ianao. Inona no azonao atao mba hanitsiana an’ilay izy? Fantaro aloha hoe inona avy no mila ataonao. Jereo avy eo ny ezaka efa vitanao, mandritra ny volana vitsivitsy.
“Hahay handray torohevitra ianao raha mijery ny tenanao amin’ny saina tsy miangatra. Raha tsy manao an’izany ianao, dia tsy hahavita hiaiky ny fahadisoanao, hiala tsiny, ary hanitsy an’izay tsy mety.”—Emma.
Tadidio àry izao: Resahin’ny Baiboly hoe afaka manampy antsika hihatsara ny olon-kafa, hoatran’ny ‘vy mampaharanitra vy.’ (Ohabolana 27:17) Mahasoa anao ny torohevitra, na amin’izao na amin’ny hoavy. Manampy anao hanatsara ny zavatra ataonao sy ny toe-tsainao mantsy izy ireny.