Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Fa Maninona Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly Mihitsy?

Fa Maninona Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly Mihitsy?

 Andao hatao hoe asain’ny namanao hanao fety miaraka amin-dry zareo ianao amin’ny faran’ny herinandro. Miera amin’ny ray aman-dreninao ianao, dia hentitra be ry zareo miteny hoe tsy mahazo mandeha ianao. Dia tsy gaga ianao satria izay ihany ilay efa notenenin-dry zareo tamin’ny farany.

Ho hitantsika ato ireto:

 Fa maninona aho no tsy mba avelan’i Dada sy Neny mihitsy rehefa miera amin-dry zareo?

 Raha hoatran’ny hoe mandà foana ny ray aman-dreninao isaky ny miera aminy ianao hoe hanao zavatra iray, dia mety hieritreritra ianao hoe tsy mba tian-dry zareo hifalifaly mihitsy.

 Izany mihitsy no tsapan’ny ankizivavy iray atao hoe Marie tamin’izy nahazo telefaonina voalohany. Hoy izy: “Nofeperan’ny dadanay be mihitsy ny zavatra azoko nampidirina tao anatin’ny telefaoniko. Noteneniny koa hoe iza ihany no azoko iresahana, dia hatramin’ny firy ihany aho no mahazo miresaka amin-dry zareo. Ny namako anefa nahazo nanao an’izay tiany daholo!”

 Eritrereto izao: Tena hoe ny hanakana an’i Marie tsy mba hifalifaly mihitsy ve no tian’ny dadany natao? Inona no mety ho nahian’ilay dadany hoe hitranga?

Mametra ny zavatra azonao atao ny takelaka mametra ny hafainganam-pandeha, nefa miaro anao amin’ny loza mety hitranga ilay izy; hoatr’izany koa ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao

 Andramo izao: Eritrereto hoe ray ianao na reny manan-janaka tanora, dia vao nahazo telefaonina ilay zanakao. Inona avy ny zavatra mampanahy anao? Inona avy ny fitsipika hapetrakao mba tsy hitranga ny zavatra ahianao hoe mety hitranga? Inona no havalinao raha miteny ilay zanakao hoe tsy mba tianao hifalifaly mihitsy izy?

 “Naverimberin’ny dadanay hoe: ‘Mba mipetraha ange ianao eo amin’ny toeranay ray aman-dreny e!’ Dia rehefa nataoko ilay izy dia lasa hitako hoe tena nilaiko ny fitsipika napetrany sady tena nitombina tsara ny antony. Dia raha izaho izao no manan-janaka, dia tiako raha manaraka an’ireny fitsipika nasain’ny dadanay narahiko ireny ry zareo.”​—Tanya.

 Inona no azoko atao mba havelan-dry zareo aho amin’ny manaraka?

 Aza manao an’izao: Midongy, mitaraina, na miady hevitra be.

 “Aza manantena hoe hahazo an’izay tadiavinao ianao raha mivazavaza. Sady vao mainka ho vizana amin’izany na ianao na ny ray aman-dreninao. Raha miady hevitra be koa ianao dia lasa hieritreritra ny ray aman-dreninao hoe tsy matotra ianao sady mbola tsy tokony hampitomboina ny zavatra azonao atao.”​—Richard.

 Fa izao andramana: Aza tonga dia mamaly eo no ho eo, fa mipetraha aloha eo amin’ny toeran-dry zareo. Saintsaino hoe: Tena ianao tokoa ve no tsy atokisan-dry zareo dia izay no mahatonga azy handa, sa ny olona mety ho tafaraka aminao any no tsy atokisany? Sao dia matahotra izy sao hisy zavatra hitranga aminao any? Maninona raha dinihina milamina miaraka amin-dry zareo ilay izy, dia amin’izay mba hitanao hoe inona no mahatonga an-dry zareo handa?

 “Izay mahasoa ahy no tadiavin’ny ray aman-dreniko matoa ry zareo miteny hoe tsy mahazo manao an’izao aho na tsy maintsy manao an’izao, fa tsy hoe tsy tiany hifalifaly mihitsy aho. Tsy tian-dry zareo raha mifalifaly aho nefa avy eo mahita olana.”​—Ivy.

 Torolalan’ny Baiboly: “Avoakan’ny adala daholo ny hatezerany, fa mahatsindry fo kosa ny hendry.”​—Ohabolana 29:11.

 Aza manao an’izao: Misy zavatra efa tsy avelan’ny ray aman-dreninao hataonao, dia tsy miteniteny ianao fa ataonao ihany ilay izy.

 “Tsy te hankatò ny fitsipika napetrak’i Dada momba ny fampiasako telefaonina aho, dia nanaovako hafetsifetsena izy. Nitady hevitra, ohatra, aho mba handefasana hafatra tamin’ny namako tamin’ny alina be, na mba hampidirana programa efa tsy navelan’i Dada nampidirina tao anatin’ilay telefaonina. Tratra anefa aho rehefa nandeha ny fotoana, dia vao mainka lasa mafy kokoa ny fitsipika napetrany satria efa hitany hoe tsy azo atokisana aho. Tena hoe vao mainka ianao midi-kizo raha manao hafetsena satria hoe tsy te hankatò fitsipika.”​—Marie.

 Fa izao andramana: Asehoy amin’ny ray aman-dreninao hoe vonona hanaraka tsara ny fitsipika apetrany ianao, dia amin’izay ry zareo hatoky anao.

 “Mila manam-paharetana ianao. Mety ho elaela mantsy ny ray aman-dreninao vao hanova ny fitsipika efa napetrany. Raha hitany anefa hoe manaraka tsara ny fitsipika nomeny anao ianao, dia mety hihabetsaka ny zavatra havelany hataonao.”​—Melinda.

 Torolalan’ny Baiboly: “Ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo.”​—Kolosianina 3:20.

 Aza manao an’izao: Manery ny ray aman-dreninao hamela anao hanao an’ilay zavatra tianao hatao, dia miteny amin-dry zareo, ohatra, hoe ny ankizy mitovy taona aminao avelan’ny ray aman-dreniny daholo.

 “Ho reraka eo fotsiny ianao raha misisika hanao an’izay tianao sady vao mainka tsy hahazo alalana hanao an’izay tianao hatao.”​—Natalie.

 Fa izao andramana: Ampiasao ilay fampiasana hoe “Inona no Mahatsara ny Mankatò Ray Aman-dreny Foana?”, fa hanampy anao hiresaka an’ilay olana amin’ny ray aman-dreninao ilay izy.

 “Fantatro hoe faly ny ray aman-dreny rehefa mahita hoe misaina tsara ny zanany. Dia rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreniko aho, dia miezaka mba tsy hoentin’ny fo be fotsiny fa mba miteny zavatra mitombina tsara rehefa mandresy lahatra an-dry zareo. Rehefa manao an’izany aho, dia matetika no avelan-dry zareo hanao an’ilay zavatra angatahiko.”​—Joseph.

 Torolalan’ny Baiboly: “Hajao ny rainao sy ny reninao.”​—Efesianina 6:2.