Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TRANONKALA JW.ORG

Handefa ny Rohin’ny Lahatsoratra Iray, Video, na Boky sy Gazety

Handefa ny Rohin’ny Lahatsoratra Iray, Video, na Boky sy Gazety

Ampiasao ilay hoe “Hizara”, mba handefasana ny rohin’ny lahatsoratra iray, na video, na boky sy gazety ao amin’ny jw.org.

  • Tsindrio ilay hoe Hizara eny amin’ny faran’ny lahatsoratra na video, mba handefasana ny rohin’ny pejy misy an’ilay izy.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho an’ilay hoe Hizara, eo amin’ny bokikely na gazety na boky hafa, mba handefasana ny rohin’ilay izy.

Zavatra roa no mipoitra rehefa avy manindry an’ilay hoe “Hizara” ianao:

  • Ny rohin’ilay zavatra tianao halefa. Azonao alaina ilay rohy dia hatao eo amin’ny e-mail na SMS halefanao.

  • Ilay hoe Alefa Email. Rehefa tsindrinao izy io dia ny lohatenin’ilay lahatsoratra na boky no hiseho eo amin’ny lohatenin’ilay e-mail. Ny rohin’ilay lahatsoratra na boky kosa no hiseho eo amin’ny hafatra amin’ilay e-mail. (Fanamarihana: Mety hasaina hifidy ny programa tianao handefasana an’ilay e-mail ianao.)