JW LIBRARY SIGN LANGUAGE
JW Library Sign Language: Fanontaniana Fametraky ny Olona
Mety amin’ireto fitaovana ireto ny JW Library Sign Language:
Android
Tablette na telefaonina Android 4.4 na ambonin’izay
Tablette Kindle Fire HD mampiasa Fire OS 4.6.6.1 na ambonin’izay
iOS
iPad 4 na taorian’izay (mampiasa iOS 10.0 na ambonin’izay)
iPhone 5 na taorian’izay (mampiasa iOS 10.0 na ambonin’izay)
iPod touch 6egeneration (mampiasa iOS 10.0 na ambonin’izay)
Windows
Tablette, ordinatera, telefaonina mampiasa Windows 10 (Version 1709, OS Build 16299) na ambonin’izay
Rehefa maka zavatra iray ao JW Library Sign Language ianao dia ny pejy misy ny loha hevitra no alain’ilay programa, anisan’izany ny sary sy ny lohatenin’ny toko.
Tsindrio ilay bokotra Haka eny amin’ny faran’ny ambonin’ilay programa, raha haka ny video rehetra ao amin’ny zavatra iray ianao. Tsindrio kosa ilay bokotra Haka eo akaikin’ilay lohateny, raha haka video ho an’ny lohateny iray ianao.
Mety ho afaka hanampy anao ny olona iray mahay tsara ny JW Library Sign Language. Raha tsy izany dia antsoy ny biraon’ny sampana akaiky anao.