JW LIBRARY SIGN LANGUAGE
Hampiasa Lisitra
Mampiasà lisitra mba hanangonana ny video hampiasaina amin’ny fivoriana, fianarana samirery, na fanompoana.
Hampiditra video ao anaty lisitra
Manokafa video iray, dia avy eo tsindrio ilay sarina lisitra erỳ ambony.
Fidio izay marika video tianao hampiana eo amin’ilay lisitra. Ampahany voafaritra tsara amin’ilay video no atao hoe marika, ohatra hoe andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly.
Tsindrio ilay sarikely hoe Vita.
Mifidiana lisitra efa misy, na tsindrio ilay hoe Créer une liste de lecture dia manorata anarana lisitra vaovao.
FANAMARIHANA: Raha ilay video iray manontolo no tianao hampidirina ao amin’ilay lisitra, dia tsindrio ilay sarina teboka telo eo amin’ilay video, ary fidio ilay hoe Ajouter à la liste de lecture.
Hanapaka video
Ampiasao ilay fanapahana video raha te hifidy ampahany kely amin’izay video efa ao anaty lisitra ianao. Rehefa halefanao avy eo ilay video, dia ilay ampahany notapahinao ihany no handeha.
Manokafa video iray ao anaty lisitra.
Tsindrio ilay sarina hety.
Akisaho ny avy any ankavia sy ankavanana mba hanapahana an’ilay video.
Tsindrio ilay sarikely hoe Handefa raha tianao ho hita ilay ampahana video notapahinao.
Tsindrio ilay sarikely hoe Vita mba ho voatahiry ny fanovana nataonao.
FANAMARIHANA: Misy tsipika mivolondaoranjy eo ambanin’ny sary famantarana ny video iray raha notapahina ilay izy.
Hanamboamboatra an’ilay lisitra
Hanova anarana
Tsindrio ilay hoe Renommer raha tianao hovana ny anaran’ilay lisitra.
Raha te hanova ny anaran’ny video iray ao anaty lisitra ianao, dia tsindrio ilay sarina teboka telo eo amin’ilay video, ary fidio ilay hoe Renommer. Marihina fa ao amin’ilay lisitra nofidinao ihany no hiova ny anaran’ilay video.
Hanova ny filaharany
Raha tianao hovana ny toeran’ny video iray ao anaty lisitra, dia tsindrio eo amin’ilay video ary akisaho eo amin’izay toerana tianao hamindrana azy izy.
Hanasaratsaraka
Raha marika video maromaro mifanesy no nampidirinao ao anaty lisitra (ohatra hoe andinin-teny mifanarakaraka ao amin’ny toko iray ao amin’ny Baiboly), dia hitambatra ho iray ihany ireny. Raha tianao hosaratsarahina ilay izy, dia tsindrio ilay sarina teboka telo ary fidio ilay hoe Dissocier.
Hamarana
Azonao faritana ny fomba hifaranan’ny video tsirairay ao anaty lisitra. Rehefa mandefa an’ilay video ianao, dia izay fomba hifaranany nofidinao no hamaritra hoe inona amin’ireto no hitranga rehefa tapitra ilay video:
Continuer: Tonga dia handeha ny video manaraka.
Arrêter: Hiverina any amin’ilay lisitra ianao.
Mettre en pause: Hijanona eo amin’izay sary farany ilay video.
Répéter: Hiverina hatramin’ny voalohany indray ilay video.