Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW Library Amin’ny Windows

JW Library Amin’ny Windows

Ny JW Library dia programa ofisialy noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy Baiboly dikan-teny maromaro ao, ary misy boky sy bokikely fianarana Baiboly.

 

 

Inona ny Vaovao?

Aprily 2024 (Version 14.3)

  • Rehefa tsindriana ny andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly, dia misy sary maromaro mipoitra. Tsindrio ilay sarina diamondra kely, dia ho hitanao ny loharanon-kevitra rehetra manazava an’ilay andininy, anisan’izany ny avy ao amin’ny Fitaovana Fikarohana.

  • Ny naoty nataonao no mipoitra voalohany indrindra eo amin’ny sisim-pejy fianarana.

Febroary 2024 (JW Library 14.2)

  • Ampiasao ilay hoe Hanapaka, ao amin’ny video na raki-peo ao amin’ny Lisitra, raha ampahany amin’ilay izy fotsiny no tianao halefa.

Septambra 2023 (JW Library 14.1)

  • Azo aseho ny fomba fanononana pinyin sy furigana ho an’ny teny sinoa sy japoney, raha misy.

 

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW Library (Windows)

Jereo ato ny valin’ny fanontaniana fametraky ny olona.