Hijery ny anatiny

BOKIKELY MISY FANAZAVANA MANERAN-TANY

Tsy Manao Politika ny Vavolombelon’i Jehovah

Tsy Manao Politika ny Vavolombelon’i Jehovah

Tsy midikiditra amin’ny politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izany no ampianarin’ny Baiboly. Be dia be ny fitondrana mahita hoe mihavana tsara ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manao politika. Niaiky koa ry zareo fa mankatò lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah sady miara-miasa tsara amin’ny manam-pahefana.