Hijery ny anatiny

Fampiasana ny Mombamomba Anao​—Kolombia

Fampiasana ny Mombamomba Anao​—Kolombia

Rehefa lasa mpitory ny olona iray dia ekeny fa afaka mampiasa ny fanazavana momba azy ny fikambanana ara-pivavahana maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria ilain’ilay fikambanana izany. Anisan’io fikambanana io ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kolombia, ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, sy biraon’ny sampana eo an-toerana, ary ny fikambanana hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Omen’ny mpitory ho an’ny fiangonana ny fanazavana momba azy, araka ny voalazan’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah mba hahafahany mandray anjara amin’ny asa ara-pivavahana mifandray amin’ny fanompoany an’Andriamanitra sy mahazo fanampiana ara-panahy.​—1 Petera 5:2.

Tafiditra amin’ny mombamomba ny olona iray ny anarany, daty nahaterahany, lahy izy sa vavy, datin’ny batisany, adiresy sy telefaoniny, fahasalamany ara-panahy, asa fanompoana ataony, ny andraikiny eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, na izay fanazavana hafa omeny rehefa manao asa ara-pivavahana hafa izy. Hita ao amin’izany fanazavana izany izay inoan’ilay mpitory ary mety hisy fanazavana saro-pady izay mety hofidiny homena koa ao, ohatra hoe momba ny fahasalamany, ny resaka firaisana, na momba ny ankizy tsy ampy taona. Ny hoe fampiasana ny mombamomba ny olona iray dia midika hoe alaina ilay izy, ampirimina, alamina, tehirizina, na ny mitovitovy amin’izany.

Intỳ ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana ao amin’io firenena io:

Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana (Didy Laharana Faha-1581 tamin’ny 2012) sy ny didim-pitondrana mifandray aminy.

Araka io Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana io, dia ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireto zavatra mifandray amin’ny fivavahana ireto ny fanazavana omen’ny mpitory momba azy:

  • fikarakarana sy fitantanana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

  • fandraisana anjara amin’ny fivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana sy amin’ny asa an-tsitrapo

  • fahafahana mandray anjara amin’ny fivoriana na fivoriambe alaina feo sy sary mba hampianarana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany

  • fanatanterahana ny fanendrena na andraikitra ao amin’ny fiangonana, tafiditra amin’izany ny anaran’ny mpitory sy ny fanendrena azy izay hita eo amin’ny tabilao misy filazana any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

  • fihazonana ny karatra Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Fiangonana

  • fikarakarana ara-panahy ataon’ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah (Asan’ny Apostoly 20:28; Jakoba 5:14, 15)

  • firaketana ny mombamomba ny olona azo antsoina raha misy loza

Hotehirizinay ny fanazavana momba ny olona iray mandritra ny fe-potoana hanatanterahana an’ireo voalaza eo ambony ireo, na raha misy antony ara-dalàna hafa tokony hitehirizana azy. Raha misafidy ny tsy hanao sonia an’ilay taratasy hofenoina hoe Fampahafantarana sy Fanekena ny Hampiasana ny Mombamomba Ahy sy tsy manome alalana ny hampiasana ny mombamomba azy ilay mpitory, dia mety ho hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy afaka manao andraikitra sasany eo anivon’ny fiangonana izy, na tsy afaka mandray anjara amin’ny asa ara-pivavahana sasany.

Maneran-tany ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety halefa na hotehirizina any ivelan’ny firenena misy azy àry ny mombamomba ny mpitory. Mety ho hafa mihitsy ny lalàna momba ny fiarovana fanazavana any amin’ireny firenena ireny, fa tsy voatery hitovy amin’ny lalàna ao amin’ilay firenena nialan’ilay fanazavana. Raha hoatr’izany ilay firenena andefasana ny fanazavana momba anao, dia efa misy fepetra raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho azo antoka hoe voaro foana ilay fanazavana alefa. Mety ho tafiditra amin’izany ny fampiasana taratasy misy fifanekena. Izay Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mandray an’ilay fanazavana, dia hampiasa an’ilay izy mifanaraka amin’ny Faneken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa Tsy Hamoaka ny Fanazavana Omenao.

Zon’ny mpitory ny mijery ny fanazavana momba azy any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mangataka ny hanafoanana, hamerana, na hanajanonana ny fikarakarana an’ilay izy ary manitsy ny diso ao. Zony koa ny mangataka porofon’ny fahazoan-dalana nomena azy sy hanome na tsy hanome fanazavana saro-pady na fanazavana momba ny ankizy tsy ampy taona. Na rahoviana na rahoviana, dia afaka mandà ny hampiasana ny fanazavana momba azy na mangataka ny hamafana an’izany ny tompon’ilay fanazavana, rehefa tsy voahaja ny lalàna sy ny zo ary ny antoka amin’ny fikarakarana an’ilay izy. Raha tsy eken’ilay mpitory intsony ny hampiasana ny mombamomba azy na raha mangataka izy hoe hofafana ny mombamomba azy, dia mety mbola ho afaka hampiasa ny fanazavana sasany momba azy ihany ny Vavolombelon’i Jehovah satria manana antony ara-pivavahana hanaovana an’izany na satria mamela azy ireo hanao an’izany ny lalàna ao amin’ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana. Fantatry ny mpitory fa manana zo hitaraina any amin’ny Mpanara-maso ny Indostria sy ny Varotra any Kolombia izy.

Mandray fepetra isan-karazany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiarovana ny fanazavana voarainy momba ny olona. Mifanaraka amin’ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana izany fepetra izany. Takatry ny mpitory fa olona vitsy sy nahazo alalana ihany no mahita ny fanazavana omeny mba hanaovana an’ireo voalaza teo ireo.

Ny fangatahana rehetra atao amin’ny tompon’andraikitry ny fiarovana fanazavana dia azo alefa e-mail any amin’ny:

DataProtectionOfficer.CO@jw.org

Takatry ny mpitory fa hita ao amin’ilay hoe Adiresy Momba ny Fiarovana Fanazavana, ao amin’ny jw.org, ny mombamomba ny mpikarakara fanazavana ao amin’ny tany misy azy. Mety ho hita ao koa ny an’ny solontenan’ny mpikarakara fanazavana sy ny tompon’andraikitry ny fiarovana fanazavana, ho an’ny tany sasany.

Raha te handefa fangatahana ny mpitory iray, dia mila manao dika mitovy an’ilay fangatahana aloha izy ary hasainy hamarinin’ny nôtera ilay izy. Tokony hataony scan ilay izy avy eo, ary halefany miaraka amin’ny adiresy e-mail hamaliana an’ilay hafatra. Raha misy tsipiriany ilaina nefa tsy hita ao amin’ilay fangatahana, dia hahazo hafatra ilay olona ao anatin’ny dimy andro (andro fiasana) hoe mila fenoiny ao anatin’ny roa volana, fara fahelany, ilay fangatahana, fa raha tsy izany dia horaisina ho toy ny hoe notsoahany ilay izy. Raha vao feno sy voamarina ilay fangatahana, dia hahazo valiny ao anatin’ny 10 andro (andro fiasana) ilay olona raha fanontaniana ilay izy, ary ao anatin’ny 15 andro (andro fiasana) raha fitarainana ilay izy. Samy azo itarina ireo fe-potoana ireo, na arakaraka izay efa noferan’ny lalàna manan-kery.

Mety hiova indraindray ny fomba ikarakaranay ny fanazavana raha miova ny asa ara-pivavahana ataonay, ny lalàna misy, na ny fampiasana teknolojia. Raha ilaina ny manavao an’ity Fampiasana ny Mombamomba Anao ity dia halefanay eto amin’ity pejy ity izany, amin’izay dia ho fantatry ny mpitory foana hoe inona ny fanazavana alainay momba azy ary ahoana no ampiasanay azy. Jereo matetitetika ity pejy ity raha nisy fanovana.