Natao hanomezana fanazavana ho an’ny dokotera sy ny mpitsabo matihanina ity fizarana momba ny fitsaboana ato amin’ny jw.org ity. Tsy manome torohevitra momba ny fitsaboana anefa izahay ato, ary tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana. Ilaina foana ny manatona dokotera mahay. Misy lahatsoratra momba ny teknika samihafa azo atao solon’ny fampidiran-dra ato, ary tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka an’ireo lahatsoratra ireo. Anjaran’ilay mpitsabo ny miezaka mba haharaka ny fanazavana nivoaka farany. Andraikiny ny miara-midinika amin’ny marary hoe inona avy ny fitsaboana azo atao. Adidiny koa ny manampy ny marary hanao safidy mety amin’ny toe-pahasalamany sady manaja ny faniriany sy izay inoany. Mety tsy hety na tsy heken’ny marary sasany ny fomba fitsaboana sy teknika voaresaka ato.
Ho an’ny marary: Miresaha foana amin’ny dokoteranao na mpitsabo matihanina hafa, raha marary ianao ka mila torohevitra na te hahafantatra momba ny fitsaboana iray. Manatòna dokotera raha mahatsiaro ho tsy metimety ianao.
Ito fifanekena ito no mifehy an’izay mampiasa an’ity tranonkala ity.