16 SEPTAMBRA 2019
AFRIKA ATSIMO
Johannesburg, Afrika Atsimo: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 6-8 Septambra 2019
Toerana: FNB Stadium any Johannesburg, Afrika Atsimo
Fiteny: Anglisy, sesotho, zoloa
Tampon’isan’ny mpanatrika: 58149
Tontalin’ny natao batisa: 476
Solontena avy any ivelany: 6000
Sampana nasaina: Bolivia, Congo (Kinshasa), Eoropa Afovoany, Etazonia, Failandy, Grande-Bretagne, Hong-Kong, Hongria, Israely, Japon, Kenya, Korea, Liberia, Madagasikara, Malawi, Ogandà, Paragoay, Peroa, Zambia, Zimbabwe
Fitantarana: Anisan’ny notsidihin’ny solontena avy any ivelany ny Lion and Safari Park. Nilaza ny tompon’andraikitra tao hoe izay ry zareo vao nahita olona avy amin’ny kolontsaina sy fiteny be dia be iray bisy nefa tsy nisy niady na nitaraina. Ny tena nampiaiky volana azy ireo anefa dia hoe nanaraka tsara ny toromarika nomeny ireo vahiny ireo sady niara-niasa tsara tamin’ny mpiasa tao aminy. Nilaza mihitsy izy ireo hoe tena tiany ny nandray an’ireo vahiny ireo.
Rahalahy sy anabavy maromaro miarahaba tonga soa an’ireo vahiny tonga ao Afrika Atsimo, ao amin’ny seranam-piaramanidina
Anabavy efatra mizara fanasana amin’ny fivoriambe, ka ny roa avy eo an-toerana ary ny roa solontena avy any ivelany
Vahiny maka sary, manao akanjo mampiavaka ny tany niaviany
Rahalahy sy anabavy mitsikitsiky sady mitehaka mandritra an’ilay fivoriambe
Ny iray amin’ireo 476 natao batisa
Miarahaba ny rahalahy sy anabavy ny Rahalahy Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana
Naseho ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa, tamin’ny andro farany tamin’ilay fivoriambe
Anabavy telo miaraka maka sary amin’ny faran’ilay fivoriambe
Antoko-mpihira manao akanjo afrikanina marevaka mandritra ny fiaraha-mikorana takariva