Hijery ny anatiny

Ilay biraon’ny fandikan-teny vaovao rehefa jerena avy ety ivelany

22 FEBROARY 2023
AFRIKA ATSIMO

Nanokatra Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho An’ny Fiteny Venda ny Sampan’i Afrika Atsimo

Nanokatra Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho An’ny Fiteny Venda ny Sampan’i Afrika Atsimo

Nisy Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana (BFM) vao nosokafana ho an’ny fiteny venda any Makhado, any Afrika Atsimo, tamin’ny 7 Desambra 2022. Misy mpandika teny folo miasa ao manontolo andro, dia misy valo miasa ao tapa-potoana.

Olona 1 200 000 eo ho eo no miteny venda any Afrika Atsimo, dia 100 000 any Zimbabwe. Miisa 28 ny fiangonana venda ao amin’ireo firenena roa ireo, ary 800 eo ho eo ny tontalin’ny mpitory.

Efa nisy trano anankiray teo amin’ilay toerana misy an’ilay BFM, dia iny no nohavaozina sy nozaraina efatra ary lasa trano ipetrahana. Nisy trano iray vaovao naorina koa teo amin’ilay toerana mba hatao birao ho an’ny mpandika teny. Ankoatra an’izay, dia misy trano telo hafa eo akaiky eo novidin’ny fandaminana mba hipetrahan’ny mpiasa ao amin’ilay BFM.

Nampifanarahana amin’ny toetany ny fomba nanorenana an’ilay BFM. Izao, ohatra, no nolazain’ny Rahalahy Jody Palvie, izay nanara-maso an’ilay tetikasa sady niara-niasa tamin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana: “Mahamay be ny andro any amin’io faritra io, dia tsy notapahina ny hazo amin’izay mba manome alokaloka. Carreaux sy béton poli koa no tena nampiasaina, amin’izay mangatsiatsiaka ny ao anatin’ilay trano.”

Ankavia: Fakana video fandaharana ara-panahy anankiray. Ankavanana: Ekipa mpandika teny amin’ny fiteny venda eo am-perinasa

Lasa afaka mifandray kokoa amin’ny olona miteny venda izao ireo mpandika teny amin’io fiteny io rehefa nafindra any ny biraon-dry zareo. Izao no nolazain’ny mpandika teny iray: “Lasa afaka mifandray amin’ny olona miteny venda izao izahay isan’andro. Manatsara ny fahaizanay mandika teny izany, satria manampy anay hampiasa an’izay teny sy fomba fiteny fampiasan’ny olona andavanandro.” Nisy mpandika teny iray koa niteny hoe: “Akaiky kokoa an’ireo rahalahy sy anabavy miteny venda izao no misy anay, dia tena afaka manampy anay amin’ny fandraisam-peo ho an’ny video sy raki-peo ry zareo.”

Miezaka be ireny rahalahy sy anabavintsika ireny mba “hidera an’i Jehovah” any amin’ny toerana misy olona miteny venda, ary fantatsika hoe mbola hotahin’i Jehovah foana ny ezaka ataon-dry zareo.​—Salamo 145:21.