Hijery ny anatiny

13 SEPTAMBRA 2019
AFRIKA ATSIMO

Navoaka Tamin’ny Fiteny Telo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nandritra ny Fivoriambe Iraisam-pirenena Tany Afrika Atsimo

Navoaka Tamin’ny Fiteny Telo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nandritra ny Fivoriambe Iraisam-pirenena Tany Afrika Atsimo

Navoaka tamin’ny 6 Septambra 2019, tany Johannesburg, any Afrika Atsimo, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny venda sy afrikaans ary xhosa. Olona 16 tapitrisa mahery no mampiasa an’ireo fiteny ireo. Ny Rahalahy Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namoaka azy ireo ary nisy 36865 ny mpanatrika tao amin’ny FNB Stadium. Nisy 51229 koa no nanaraka mivantana an’ilay izy avy any amin’ny toerana valo, anisan’izany ny tany Lesotho sy Namibia ary Sainte-Hélène.

Faly erỳ ny mpandika teny iray nilaza ny lafiny mampiavaka an’ireo Baiboly ireo. Hoy izy: “Tsy ho andrintsika izay hamakiana ny Baiboly manontolo amin’ny fiteny manohana ny fontsika.” Nilaza koa ny mpandika teny iray hafa hoe: “Ny tena zava-dehibe indrindra dia ny hoe manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah [ilay Baiboly vaovao] satria miverimberina ao ny anaran’Andriamanitra.”

Tena hanampy ny mpiara-manompo amintsika eny amin’ny fanompoana koa ireo Baiboly ireo. Nilaza ny mpandika teny xhosa iray hoe: “Hanampy be eny amin’ny fanompoana ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Tsy mila manazava ny teny tsirairay ao mantsy isika fa tonga dia hazava amin’ny olona izay ampianarin’ny Baiboly.” Nilaza koa ny mpandika teny afrikaans iray hoe: “Vao mamaky Baiboly ianao izao, dia tonga dia azonao izay vakinao.”

Faly isika fa manana Baiboly mora azo ny mpiara-manompo amintsika ary hanampy azy ireo ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany.—Jakoba 4:8.