20 AOGOSITRA 2019
AFRIKA ATSIMO
Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Fiteny Kwanyama Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natao any Ondangwa, any Namibia, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny fiteny kwanyama, tamin’ny 16 Aogositra 2019. Ny Rahalahy Franco Dagostini, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Afrika Atsimo, no namoaka an’ilay Baiboly tamin’ny andro voalohan’ilay fivoriambe tao amin’ny trano malalaka iray fanaovana foara any Ondangwa.
Hoy ny mpandika teny iray: “Hazava kokoa amin’ny olona izao ny hevitry ny Baiboly rehefa mamaky Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy ireo. Ho faly ny mpiara-manompo satria ho hitany eny amin’ny toerana tokony hisy azy ny anaran’i Jehovah.”
Mpitory 490 eo ho eo no miteny kwanyama ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Afrika Atsimo. Tombanana ho 1400000 ny olona miteny kwanyama ary any Angola sy Namibia ny ankamaroany.
Efa voadika ho amin’ny fiteny 184 izao Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy. Ny 25 amin’ireo no nohavaozina tanteraka, miainga avy amin’ilay Baiboly tamin’ny 2013. Faly isika hoe manana an’io Baiboly io ny rahalahy sy anabavintsika any mba hitoriana amin’ny olona miteny kwanyama.—Asan’ny Apostoly 2:37.