25 JANOARY 2022
AFRIKA ATSIMO
Noderain’ny Manam-pahefana Tany Afrika Atsimo ny Ezaka Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Hanampiana ny Marenina
Boky Roa Fanampiny ao Amin’ny Baiboly Navoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Fampiasa any Afrika Atsimo
Nankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiahy ny marenina any Afrika Atsimo. Manampy ny marenina hanatsara ny fiainany mantsy izy ireo, ka mamoaka video tsara be amin’ny tenin’ny tanana fampiasa any Afrika Atsimo (SASL). Vao avy namoaka ny bokin’ny Galatianina sy Efesianina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny SASL ry zareo talohan’io, izany hoe tamin’ny 15 Novambra 2021. Efa folo amin’ireo izao ny boky ao amin’ny Baiboly voadika tamin’ny SASL. Mbola hisy efatra fanampiny hivoaka alohan’ny Aprily 2022. Ao amin’ny jw.org sy ao amin’ny programa JW Library Sign Language no ahitana an’ireo.
Hoy i Minna Steyn, manam-pahaizana manokana momba ny fampianarana sady manam-pahefana ao amin’ny fitondrana any Cap Andrefana, momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena tiako be mihitsy ny mijery an’ilay mpanao tenin’ny tanana rehetra. Mila midera an-dry zareo sy ilay fikambanana mihitsy aho fa avo lenta be ny fomba fanaovan-dry zareo tenin’ny tanana.”
Hoy indray i Bongani Makama, filohan’ny Fikambanan’ny Kilemaina any Eswatini: “Midera ny Vavolombelon’i Jehovah izahay fa tsy nataon’izy ireo an-kilabao ny marenina dia lasa mahafantatra an’izay mba fantatry ny mandre koa.” Hoy koa izy: “Mba mendrika ny hahazo Baiboly amin’ny fiteniny koa [ny marenina]. Izany no mahatonga anay hidera ny Vavolombelon’i Jehovah noho izy ireo namoaka boky ao amin’ny Baiboly ho an’ny marenina, sady amin’ny fiteny manohina ny fony. Tsy andrinay izao ny hananana ny boky 66 rehetra ao amin’ny Baiboly, amin’ny tenin’ny tanana.”
Olona 450 000 eo ho eo any Afrika Atsimo no mampiasa SASL. Misy 283 kosa ny mpitory marenina na tsy dia mandre tsara. Noho ny ezaka nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah àry, dia lasa afaka ny hahalala tsara ny fahamarinana ny “karazan’olona rehetra”, anisan’izany ny marenina any faritanin’ny sampan’i Afrika Atsimo.—1 Timoty 2:4.