Hijery ny anatiny

5 JONA 2019
AFRIKA ATSIMO

Oram-be sy Tondra-drano Tany Afrika Atsimo

Oram-be sy Tondra-drano Tany Afrika Atsimo

Nisy oram-be tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika Atsimo, tamin’ny faramparan’ny volana Aprily 2019. Naharitra ela be ilay orana ka nisy tondra-drano sy riakam-potaka tany amin’ny toerana maro any Durban sy ny manodidina, any amin’ny faritr’i Kwazulu-Natal. Araka ny filazam-baovao dia olona 70, fara fahakeliny, no maty.

Milaza ny sampan’i Afrika Atsimo fa tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra. Tranona fianakaviana Vavolombelona 19 kosa, fara fahakeliny, no simban’ny riakam-potaka sy ny tondra-drano. Efitrano Fanjakana telo koa, fara fahakeliny, no simban’ny rano.

Manaraka ny toromariky ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana, ka manadihady ny fahasimbana amin’ny trano tsirairay. Afindra any amin’ny toerana azo antoka izay rahalahy mipetraka amin’ny trano mampidi-doza.

Matoky isika hoe manohana ny rahalahy sy anabavintsika any Afrika Atsimo foana i Jehovah, amin’izao voina mitranga amin’izy ireo izao.—Salamo 34:19.