25 APRILY 2022
AFRIKA ATSIMO
Orana Nivatravatra sy Tany Nihotsaka Nandravarava An’i Afrika Atsimo
Nisy orana nivatravatra tany amin’ny faritr’i Kwazulu-Natal, faritanin’i Afrika Atsimo, tamin’ny 13 Aprily 2022, ary be dia be ny olona maty sy trano rava. Ny tany amin’ny faritra sasany aza niakatra hatrany amin’ny 300 milimetatra ny haavon’ny rano, tao anatin’ny iray andro monja. Tapaka ny jiro sy rano tany amin’ny faritra maro. Be dia be koa ny lalana potika tanteraka.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy maty ny rahalahy sy anabavintsika
Naratra kely ny zanaky ny anabavy iray satria nianjeran’ny rindrina
Naratra kely ny rahalahy iray rehefa nirodana ny tranony
Nisy 27 ny trano rava
Nisy 102 ny trano simba
Nisy 87 ny mpitory nafindra toerana
Nisy 2 ny Efitrano Fanjakana simba
Fanampiana tra-boina
Natsangana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba handamina fanampiana
Nanome fanampiana an’izay mpitory sahirana ny anti-panahin’ny fiangonana sy ny mpiandraikitra ny faritra
Nanaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 daholo izay nandray anjara nanome fanampiana
Matoky isika fa hanampy an’ireo mpiara-manompo amintsika namoy fananana ireo i Jehovah mandra-piandrintsika ny fitahiana mandrakizay nampanantenainy antsika.—2 Korintianina 4:18.