Hijery ny anatiny

Ilay Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana vaovao ho an’ny tenin’ny tanana any Afrika Atsimo

29 APRILY 2022
AFRIKA ATSIMO

Trano Havaozina mba Hanaovana Biraon’ny Fandikan-teny ho An’ny Tenin’ny Tanana any Afrika Atsimo

Trano Havaozina mba Hanaovana Biraon’ny Fandikan-teny ho An’ny Tenin’ny Tanana any Afrika Atsimo

Kely sisa dia ho vitan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana any An-toerana (SFA) ilay fanavaozana birao any Durban, any Afrika Atsimo. Hanaovana Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho an’ny Tenin’ny Tanana any Afrika Atsimo izy io. Tamin’ny Martsa 2020 ilay trano no novidin’ny sampana, dia tatỳ aoriandriana novidiny koa ny trano maromaro teo akaikin’ilay izy. Amin’ny Mey 2022 no hanomboka hifindra any ny mpandika teny.

Firy ny marenina sy ny olona tsy dia mandre tsara any Afrika Atsimo? Misy 283 ny mpitory, ary 450 000 ny olon-kafa tsy Vavolombelona. Any amin’ny faritr’i Kwazulu-Natal, any Afrika Atsimo, ny ankamaroan’izy ireo no mipetraka. I Durban no tanàna lehibe indrindra any amin’ny faritany. Misy 17 ny Betelita ao amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana, ary 25 no mpiasa an-tsitrapo. Ho afaka hamokatra fandikan-teny tena tsara izy ireo any amin’io toerana vaovao io, mba hahasoa an’ireo marenina any Afrika Atsimo ireo.

Hoy ny Rahalahy Sibusiso Mzizi, anisan’ny mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana any Afrika Atsimo: “Matoky izahay fa tena hampandroso ny tenin’ny tanana eto Afrika Atsimo io birao vaovao io, sady hanatanjaka ny fiangonana.”

Misaotra an’i Jehovah isika fa izy no mitahy ny ezaka ataontsika mba hampandrosoana ny tenin’ny tanana any Afrika Atsimo sy io tetikasa io.​—Salamo 127:1.