Hijery ny anatiny

10 DESAMBRA 2019
ALBANIA

Horohoron-tany Mahery Tany Albania

Horohoron-tany Mahery Tany Albania

Ilay horohoron-tany namely an’i Albania vao haingana no voalaza fa mafy indrindra amin’ny horohoron-tany tany Albania tato anatin’ny 40 taona. Tsy nisy rahalahy sy anabavy naratra na maty tamin’ilay horohoron-tany. Trano 35 an’ny mpiara-manompo sy tranobe 3 misy Efitrano Fanjakana anefa no hita fa mampidi-doza.

Namely an’i Albania ilay horohoron-tany mirefy 6,4 amin’ny maridrefy Richter, tamin’ny 26 Novambra 2019. Nisy 51 no maty, 3000 mahery no naratra, ary an’arivony no tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Mipetraka any amin’ny havany na any amin’ny mpiara-manompo any amin’ny fiangonana hafa ireo Vavolombelona tsy maintsy nifindra. Simba koa ny Efitrano Fanjakana sasany ka mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana any amin’ny toerana azo antoka kokoa ny fiangonana.

Nilaza ny anti-panahy iray hoe tena nanampy azy mianakavy ny fiomanana mialoha amin’ny loza. Hoy izy: “Vao nanomboka ilay horohoron-tany, dia samy naka ny kitapo misy ny zavatra ilainay izahay, dia nihazakazaka nivoaka ny trano. Efa nasianay rano, fanafody, sakafo, ary lamba firakotra azo ampiasaina tao amin’ny kitaponay. Misaotra an’i Jehovah sy ny Filan-kevi-pitantanana izahay amin’ny torohevitra feno fitiavana omen’izy ireo.”

Nankany amin’ilay toerana tratran’ny loza avy hatrany ny mpiandraikitra ny faritra maro mba hampahery ny mpiara-manompo. Tsy maintsy niala ny trano nipetrahany ny mpiandraikitra ny faritra iray sy ny vadiny satria simba ilay trano. Na dia teo aza izany dia lasa nampahery ny mpiara-manompo ihany izy ireo.

Nankany amin’ny faritra tena voa mafy koa ny rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana. Mandrindra ny fanampiana ny tra-boina ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky.

Mivavaka isika mba hahavita hiaritra foana ny rahalahy sy anabavy any Albania. Efa tsy andrintsika ny fotoana tsy hisian’ny loza araka ny natiora intsony.—Romanina 8:25.