4 NOVAMBRA 2024
ALEMAINA
Fampirantiana Manome Voninahitra An’ireo Tsy Nety Nanao Miaramila Noho ny Finoany
“Tsy Nivadika ny Vavolombelon’i Jehovah na dia Nampijalin’ny Nazia Aza.” Izany no lohatenin’ilay fampirantiana natao tao amin’ny Tranombakoka Momba An’i Sachsenhausen, tany Oranienburg any Alemaina. Tamin’ny 15 Septambra 2024 izy io no nosokafana. Feno 85 taona tamin’io andro io ny daty nahafatesan’ny Rahalahy August Dickmann. Izy no olona voalohany fantatra hoe novonoin’ny Nazia noho ny finoany. Hatrany amin’ny tapatapaky ny Desambra any ho haseho ao amin’ilay tranombakoka io fampirantiana io.
Vavolombelona tsy nivadika 280 mahery no novonoin’ny fitondrana nazia, satria tsy nety nanao miaramila. Misy sary sy fanazavana momba ny sasany amin’izy ireo eo amin’ireo tabilao 33 ao amin’ilay fampirantiana. Aseho ao, ohatra, ny tantaran’ny Anabavy Emmy Zehden. Nonovoina ho faty tao amin’ny fonjan’i Plötzensee ao Berlin izy, tamin’ny 9 Jona 1944. Fa naninona? Satria nanafina an’i Gerhard Liebold sy Werner Gaßner ary Horst, zaza natsangany. Samy tsy nanaiky hanao miaramila izy telo ireo.
Nadinadinina tamin’ny kabary fanokafana an’ilay fampirantiana ny Rahalahy Hans-Joachim Rehwald. Niresaka momba ny dadany izy tamin’izay. Josef no anarany. Tsy nety niditra tao amin’ny tafika nazia izy io tamin’ny 1938, dia nosamborina ary voasazy higadra herintaona. Nalefa tany amin’ny toby fitanana telo izy tatỳ aoriana, anisan’izany ny tao Sachsenhausen. Nahita maso ny namonoana an’i August Dickmann koa izy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa i Josef, na teo aza izany fitsapana rehetra izany. Hoy ny rahalahy iray rehefa avy nitsidika an’ilay fampirantiana: “Vonona hijaly na ho faty mihitsy aza ny rahalahiko sy anabaviko, mba hampisehoana hoe tsy mivadika. Tena mampiaiky ahy izany. Te hanao hoatran-dry zareo koa aho.”
Tena mahafaly antsika ny modely nomen’ireny rahalahy sy anabavy ireny. Be herim-po ry zareo, ka tsy nivadika nandritra ny fitondrana nazia. Be dia be koa izao no miaritra fitsapana, satria tsy manaiky hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Hita avy amin’ireny ohatra miavaka taloha ireny anefa fa hanohana sy hampahery antsika koa i Jehovah rehefa miatrika fitsapana isika.—1 Petera 5:10.