Hijery ny anatiny

Ny Konsily Jeneraly Thomas Pröpstl manolotra meday ho mari-boninahitra avy tamin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina ho an’ny Ranabavy Simone Arnold-Liebster

24 JANOARY 2024
ALEMAINA

Nahazo ny Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra any Alemaina i Simone Arnold-Liebster Noho Izy Nampianatra ny Tanora

Nahazo ny Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra any Alemaina i Simone Arnold-Liebster Noho Izy Nampianatra ny Tanora

Nahazo meday ho mari-boninahitra avy tamin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina ny Ranabavy Simone Arnold-Liebster tamin’ny 15 Desambra 2023. Io no mari-pankasitrahana ambony indrindra omen’i Alemaina ho an’izay olona nahavita nanampy olona be dia be. Ny Konsily Jeneraly Thomas Pröpstl no nanolotra an’ilay meday ho an’i Simone, tamin’ny fivoriana iray natao tao Chambéry, any Frantsa. Efa 93 taona izao i Simone. Nanampy ny olona izy mba tsy hanadino ny herisetra sy ny fankahalan’ny Nazia an’ireo olona tsy nanaiky hanohana ny fitondrany. Nankasitrahana i Simone noho izay zavatra nataony izay.

Olona tany amin’ny firenena 25 hatramin’izao no efa niresahan’i Simone. Olona efa ho 65 000 no nanatrika ny fivoriana nataony, ary maro tamin’izy ireo no mpianatra sy mpampianatra. Na dia efa antitra aza izy, dia mbola manohy manao fivoriana foana amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Mamaly ny fanontaniana apetraky ny tanora izy amin’izany, ary koa miresaka hoe inona no lesona nianarany tamin’izy nitovy taona tamin-dry zareo. Hoy ny mpianatra iray rehefa avy nanatrika fivoriana hoatran’io: “Hitako tamin’ny tantaran’i Simone hoe hatanjaka ianao rehefa tena matoky ny zavatra inoanao.”

Simone Arnold-Liebster miresaka amin’ny mpianatra vitsivitsy, avy any Colorado, Etazonia, amin’ny alalan’ny vidéoconférence

Hoy ny Konsily Jeneraly Thomas Pröpstl rehefa nanolotra an’ilay mari-pankasitrahana an’i Simone: “Tena mahavariana hoe mampahery anao ny mitantara ny fijalianao amin’ny hafa. Ny tao am-ponao mantsy no nolazainao, ary tsara fanahy ianao sady matoky hoe ho tsara ny hoavy. Tena manaja anao aho noho izany.”

Niaritra fitsapana mafy i Simone sy ny fianakaviany tamin’ny andron’ny Nazia, hoatran’ireo Vavolombelon’i Jehovah an’arivony. Nesorina tao amin’ny ray aman-dreniny i Simone tamin’izy 12 taona, ary noterena hipetraka tany Constance, any Alemaina. Nalefa tany amin’ny toerana fitaizana zaza maditra tao Von Wessenberg izy ary noteren’ny nazia hanaiky sy hanohana ny fanjakana. Tsy nanaiky anefa izy. Vokatr’izay dia nalana baraka i Simone, natao kely ny sakafony, nampanaovina asa an-terivozona, ary tsy navela hiresaka tamin’ny namany nandritra ny roa taona latsaka. Hoy i Simone rehefa mahatsiaro an’ireny fotoana ireny: “Nanohana ahy foana i Jehovah. Tsy nivadika taminy mihitsy aho.”

Mbola manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika, i Simone hatramin’izao. Tena mampahery antsika ny finoany sy ny tsy fivadihany.​—Matio 5:16.