19 SEPTAMBRA 2023
ALEMAINA
Nahazoan’izy 15 Mianadahy Loka ny Famelabelarana Nataony Momba An’i Wilhelmine Pötter, Izay Nenjehin’ny Nazia
Tamin’ny 6 Jolay 2023 dia nahazo ny loka voalohany ny tanora Vavolombelon’i Jehovah 15 tao amin’ny tanànan’i Cassel, any Alemaina, noho ny famelabelarana nataony. Nanasongadina ny herim-pon’ny Anabavy Wilhelmine Pötter ilay famelabelarana. Nenjehin’ny Nazia izy ary maty vokatr’izany.
Nametraka vato fahatsiarovana maromaro eran’ny tanànan’i Cassel ny Fikambanana Stolpersteine mba ho fahatsiarovana an’ireo namoy ny ainy nandritra ny fitondran’ny Nazia. Anisan’ireo nanaovana vato fahatsiarovana i Wilhelmine sy Justus Pötter vadiny. Misy lalana mitondra ny anaran’i Wilhelmine koa ao Niestetal, tanàna tsy lavitra eo. Ho fankalazana ny fahafolo taonan’ilay fikambanana, dia nampirisihina ny mpianatra tao Cassel mba hifidy anaran’olona iray na mihoatra izay maty noho ny nataon’ny Nazia, ka hanao famelabelarana momba ny fiainany sy hiresaka an’izay lesona noraisiny avy amin’ilay olona.
Nifanaraka izy 15 mianadahy hoe i Wilhelmine no hofidiny. Eo amin’ny 13 ka hatramin’ny 23 taona ireo rahalahy sy anabavy ireo. Namorona video 24 minitra momba ny fiainan’i Wilhelmine ry zareo, dia ny lohatenin’ilay izy hoe Andriamanitra Irery Ihany no Nankatoaviny. Tantaraina ao amin’ilay video hoe nogadrain’ny Nazia i Wilhelmine tamin’ny 1937, dia maty tany amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück izy tamin’ny 1942, tamin’izy 49 taona. Nanamboatra afisy kely koa ireo mpianatra ireo, dia nataon-dry zareo tamin’ilay izy ny sarin’ny taratasy nosoratan’i Wilhelmine ho an’ny vadiny sy ny fianakaviany tamin’izy nigadra. Napetaka teny amin’ny fiandrasana bisy teny amin’ilay lalana mitondra ny anaran’i Wilhelmine ireny afisy ireny avy eo.
Izao no nosoratan’i Wilhelmine tao amin’ny taratasy nalefany ho an’ny vadiny tamin’ny 25 Aprily 1937: “Ry Justus malala, faly aho maheno hoe samy tony isika sy ianao sady tsy natahotra rehefa notononina ny sazintsika. Apetratsika eo am-pelatanan’ny Tompo ny zava-drehetra izao, ary enga anie izy ka mbola hitari-dalana antsika foana. Ny tena angatahiko amin’ny Tompo dia ny hanampiany antsika sy ianao mba hatanjaka tsara sady ho be herim-po. Amin’izay isika hahavita tsy hivadika hatramin’ny farany, araka ny nampanantenaintsika azy. Tsy havelany hizaka an’izay tsy ho zakantsika mihitsy isika. Noho izany, dia hiantehitra amin’ny Tompontsika isika sady hatoky azy tanteraka.” Voavaly ny vavaka nataon’i Wilhelmine satria samy tsy nivadika mandra-pahafatiny izy mivady.
Izao no nolazain’i Alexandra Altemeier, anabavy 23 taona, tao amin’ilay video: “Efa fantatr’i Wilhelmine sy ny vadiny hoe tsy maintsy enjehina ny mpanara-dia an’i Kristy. Nenjehina sy nosamborina ary novonoina ho faty mihitsy ry zareo noho ny zavatra ninoany. Nekeny anefa izany satria fantany fa tsy hanadino azy Andriamanitra.” Hoy koa i Ole Schröder, rahalahy 18 taona izay nandray anjara tamin’ilay famelabelarana: “Mampahery be ahy ny tantaran’ny Anabavy Pötter. Nanam-pinoana izy, tsy nivadika tamin’Andriamanitra, nahavita niaritra, sady falifaly foana. Tsara hotahafina daholo izany toetrany izany. Hitako tamin’ny tantarany koa hoe sarobidy ny hoe minamana amin’Andriamanitra.”
Naseho nandritra ny fizarana ny loka ilay video momba an’i Wilhelmine, dia olona 180 no nahita an’ilay izy, anisan’izany ny mpianatra, ny mpanao gazety, ny ben’ny tanàna, ny minisitry ny kolontsaina, ary ny lehiben’ireo sekoly ao amin’ny distrika.
Tsy ireo rahalahy sy anabavy nanao an’ilay famelabelarana ihany no mahazo fampaherezana avy amin’ny finoana sy herim-po nasehon’i Justus sy Wilhelmine, fa isika koa. Matoky isika fa tsy hanadino ny tsy fivadihan’izy mivady mihitsy i Jehovah.—Hebreo 6:10.