Hijery ny anatiny

Ankavia: Rahalahy Wolfram Slupina mampiseho akanjo nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny toby fitanana. Ankavanana: Ilay takelaka fahatsiarovana ao amin’ny tobin’i Flossenbürg

17 MEY 2023
ALEMAINA

Nasiana Takelaka Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Toby Fitanan’i Flossenbürg

Nasiana Takelaka Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Toby Fitanan’i Flossenbürg

Notokanan’ny Toby Fitanana Fahatsiarovana Flossenbürg, any Bavière, Alemaina, ny takelaka ho fahatsiarovana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah maty rehefa nogadraina tao amin’io toby io. Tamin’ny 22 Aprily 2023 ilay izy no notokanana. I Flossenbürg no fahasivy amin’ny toby fitanana fahatsiarovana nametraka takelaka hoatr’izany mba ho fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Maherin’ny 100 ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina tao amin’ny tobin’i Flossenbürg sy tany amin’ny toby manodidina. Nanatrika an’io fitokanana io ny sasany tamin’ny fianakavian’izy ireny. Hoy ny rahalahy iray nanatrika tamin’io fotoana io: “Tena mampalahelo ilay hoe eto amin’ity toerana fahatsiarovana ity, satria mahatsiravina ny zavatra natao teto. Rehefa misaintsaina anefa aho hoe tsy nivadika ireo rahalahintsika, dia lasa fotoana mahafinaritra sady miavaka ilay izy.”

Hoy i Jörg Skriebeleit, mpitantana ny Toby Fitanana Fahatsiarovana Flossenbürg: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana norarana voalohany, raha vao lasan’ny nazia ny fitondrana, tamin’ny Martsa 1933.” Nilaza koa izy hoe: ‘Nanam-pinoana ireo Vavolombelona nigadra ka lasa nahazo hery tamin’izy ireo tao amin’ny toby fitanana. Tsy hoe nanampy azy ireo hiaritra fotsiny anefa izany hery izany, fa nozarainy tamin’ny ny olon-kafa tsy mitovy finoana aminy koa.’

Nihaino tsara ny mpanatrika tamin’ilay fitokanana tany Bavière, Alemaina. Sary kely: Ny Ranabavy Judith Ribic sy Skriebeleit, mpitantana an’ilay toby, mampiseho an’ilay takelaka fahatsiarovana. Nigadra tao amin’io toby io ny dadan’ny anabavy Judith Ribic

Hoy koa ny rahalahy Wolfram Slupina, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, rehefa niteny tamin’ny mpanatrika an’ilay fitokanana: “Zava-dehibe aminay rehetra hoe tsy hadino ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby fitanana, izany hoe ny tantaran’ny olona vonona hanaraka ny feon’ny fieritreretany, nandritra ny fotoana nanjombona indrindra teto Alemaina.”

Matoky isika hoe hataon’i Jehovah ao anaty “boky fahatsiarovana” ireo rahalahintsika sy anabavintsika, izay niaritra fanenjehana sy maty tany amin’ny toby fitanana.​—Malakia 3:16.