Hijery ny anatiny

Efitrano Fanjakana nitrangan’ilay fanafihana. Misy voninkazo napetraky ny mponina sy ny manam-pahefana ao Hambourg teo anoloan’ny fidirana ny Efitrano, ho fanehoan’izy ireo fiaraha-miory

20 Martsa 2023
ALEMAINA

Nisy Lehilahy Iray Nitifitra Mpanatrika Fivoriana Tany Hambourg

Nisy Lehilahy Iray Nitifitra Mpanatrika Fivoriana Tany Hambourg

Araka ny tatitra natao teo aloha, dia nisy lehilahy anankiray nanafika ny mpivory tao amin’ny fiangonana Hambourg-Winterhude, any Alemaina, rehefa vita ny fivoriana andavanandro tamin’ny 9 Martsa 2023. Efa nandratra sy nahafaty rahalahy sy anabavintsika ilay lehilahy no tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny polisy. Namono tena ilay nahavanon-doza avy eo. Tena nanohina ny fon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-toerana sy maneran-tany ny fiaraha-miory sy ny fitiavana ary ny hatsaram-panahy nasehon’ny manam-pahefana sy ny fikambanana maro samihafa ary ny olona maro hafa maneran-tany.

Vokatr’ilay loza teo amin’ny rahalahy sy anabavintsika

  • Mampalahelo fa namoy rahalahy 4 sy anabavy 2 ary zaza anankiray mbola tao am-bohoka isika. Naratra ny renin’io zaza io

  • Rahalahy 2 sy anabavy 7 no naratra

Fanampiana ny tra-boina

  • Nisy solontenan’ny sampan’ny Eoropa Afovoany, mpiandraikitra ny faritra roa, ary anti-panahy teo an-toerana tonga nampionona sy nitondra fanampiana ho an’ny mpiara-manompo

Mivavaka ho an’izay rehetra voakasika tamin’iny loza iny isika, satria anisan’ny fianakaviana tafaray. “Manda fiarovana amin’ny andro fahoriana” i Jehovah ary hanampy antsika hiaritra an’izao fotoan-tsarotra izao izy. Ho vitany koa ny hanampy antsika hanohy am-pilaminana ny fanompoantsika.​—Nahoma 1:7.