Hijery ny anatiny

23 DESAMBRA 2021
ALEMAINA

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Alemà ny Bokin’i Matio sy Jaona

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Alemà ny Bokin’i Matio sy Jaona

Navoakan’ny Rahalahy Dirk Grundmann, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Eoropa Afovoany, ny ampahany voalohany amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana Alemà, tamin’ny 18 Desambra 2021. Noraisina video mialoha ilay fandaharana, ka nisy 800 teo ho eo no nanatrika an’ilay fandaharana famoahana ny bokin’i Matio sy Jaona tamin’ny alalan’ny Internet.

Vao tamin’ny 2002 ny fanjakana alemà vao nanaiky hoe atao anisan’ny fiteny ny Tenin’ny Tanana Alemà. Efa hatramin’ny 1960 tany ho any anefa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina no nandika teny tamin’ny Tenin’ny Tanana Alemà nandritra ny fivoriamben’ny faritra sy fivoriamben’ny vondrom-paritra natrehin’izy ireo. Misy 571 izao ny mpitory any amin’ny fiangonana 11 mampiasa Tenin’ny Tanana Alemà, ary 21 ny antoko-mpitory any.

Rahalahy iray mandika teny amin’ny tenin’ny tanana, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Munich, any Alemaina, tamin’ny 1973

Tamin’ity vao nisy boky tao amin’ny Baiboly voadika tamin’ny Tenin’ny Tanana Alemà. Andinin-teny vitsivitsy avy tao amin’ny Baiboly fotsiny mantsy hatramin’izay no nadika tamin’ny Tenin’ny Tanana Alemà, dia ireny no nampiasain’ny mpitory rehefa nianatra samirery ry zareo na nanompo teny amin’ny saha.

Hoy ny mpitory iray: “Sarotra be matetika ny mitady porofo hanamarinana ny zavatra inoantsika, satria mbola andinin-teny vitsivitsy fotsiny no voadika fa mbola tsy nisy Baiboly iray manontolo. Sarotra koa ny mampirisika mpianatra Baiboly hamaky Baiboly isan’andro, satria tsy mora ny mamaky an’ireny andinin-teny mitapatapaka ireny.”

Ny ekipa mpandika Tenin’ny Tanana Alemà, mandray video ao amin’ny studio

Hoy ny mpandika teny iray: “Tsara be mihitsy ilay hoe mandika ny tenin’i Jehovah mba hahafahan’ny marenina mifandray tsara aminy. Tena faly be izahay hoe nahazo tombontsoa hanao an’io tetikasa io.”

Enga anie io Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana Alemà io, mba hanampy olona tso-po betsaka kokoa hahafantatra ny lalàn’i Jehovah.​—Salamo 25:9.