25 JANOARY 2022
ALEMAINA
Tian’ny Vavolombelon’i Jehovah ho Azo ny Vakoka Momba ny Fianakaviana Kusserow
Nivoaka tao amin’ny gazety New York Times androany hoe te hahazo an’ireo vakoka be dia be momba ny fianakaviana Kusserow ilay fikambanana hoe Jehovas Zeugen in Deutschland. a Ao amin’ny tranombakoky ny tantaran’ny tafika any Dresde, any Alemaina, izao ireo vakoka ireo. Ny fikambanana Jehovas Zeugen in Deutschland anefa, raha ny marina, no mpandova azy ireo ara-dalàna. Ary ny tena zava-dehibe, dia hoe hanitsy ny tsy rariny nihatra tamin’ilay fianakaviana ny fakana an’ireo any.
Olona 13 no tao anatin’ny fianakaviana Kusserow, ary nanenjika mafy an-dry zareo ny fitondrana nazia satria Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Tsy nety nanohana ny tafika nazia ny roa tamin’ireo ankizy, izany hoe i Wilhelm sy Wolfgang, ka novonoina ho faty. Tsy mahagaga raha izao no notenenin’i Paul-Gerhard Kusserow, zandrin’izy ireo faralahy sady hany sisa mbola velona amin-dry zareo: “Noho ry zareo tsy nety nanao miaramila no nahafaty ny zokiko lahy. Tsy any amin’ny tranombakoky ny tafika mihitsy àry no tokony hotehirizina ireo lova sarobidy ireo.” Mba hanitsiana an’izany tsy rariny izany no tena mahatonga ny fikambanana Jehovas Zeugen in Deutschland te haka ny vakoka momba ny fianakaviana Kusserow, any amin’io tranombakoka io.
Tsy vitan’izay fa ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny antontan-taratasy manamarina hoe ny fikambanana Jehovas Zeugen in Deutschland no nampandovain’i Annemarie Kusserow an’ireo vakoka efa nangoniny tsara ireo. I Annemarie Kusserow no vavimatoa amin’ireo ankizy. Zavatra 1 000 mahery no ao amin’ireo vakoka ireo, ka anisan’izany ny sary, taratasy fanaovam-beloma talohan’ny hamonoana ho faty, didy fanamelohana ho faty, ary tatitra tsiambaratelo nataon’ny Gestapo. b
Maty tamin’ny 2005 i Annemarie. Taorian’izay vao fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ny tranombakoky ny tantaran’ny tafika no nahazo an’ireo vakoka ireo. Nilaza ilay tranombakoka hoe olona iray anisan’ny fianakaviana Kusserow, ary efa tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony, no nividianany an’ireo. Efa maty io olona io amin’izao.
Efa ho fito taona izao ny fikambanana Jehovas Zeugen in Deutschland no niezaka nitady marimaritra iraisana tamin’ilay tranombakoka, nefa tsy nety nilamina mihitsy ilay raharaha. Voatery nampakatra an’ilay izy teny amin’ny fitsarana àry izy ireo mba hahazoana an’ireo fananany ireo.
Raha mandresy izy ireo eny amin’ny fitsarana, dia hatao fampirantiana ao amin’ny tranombakoky ny biraon’ny sampan’ny Eoropa Afovoany any Selters, any Alemaina, ireo vakoka ireo. Olona an’aliny avy any amin’ny tany samihafa no ho afaka hitsidika maimaim-poana an’io tranombakoka io sy hianatra momba ny finoana matanjaka nananan’ny fianakaviana Kusserow. c
a Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina (fikambanana ara-dalàna).
b Polisy miafina alemà.
c Mbola tsy misy fitsidihana aloha izao noho ny COVID-19. Talohan’ny niparitahan’ilay valanaretina anefa, dia Vavolombelon’i Jehovah sy olona liana an’aliny avy any amin’ny tany samihafa no nitsidika an’ilay tranombakoka isan-taona.