Hijery ny anatiny

7 APRILY 2014
ALEMAINA

Maty teo Amin’ny Faha-102 Taonany i Richard Rudolph, Gadra Taloha Tany Amin’ny Toby Fitanana

Maty teo Amin’ny Faha-102 Taonany i Richard Rudolph, Gadra Taloha Tany Amin’ny Toby Fitanana

SELTERS, any Alemaina—Nodimandry tamin’ny 31 Janoary 2014 teo amin’ny faha-102 taonany ilay Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Richard Rudolph. Nigadra tany amin’ny toby fitanana dimy an’ny Nazia izy, ary tafavoaka velona tamin’izany. Efa nigadra teo ambany fitondrana kominista koa izy.

Voarara tany amin’ny faritra maro tany Alemaina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny Nazia tamin’ny 1933. Vavolombelona 11 300 no nogadrain’ny Nazia raha atambatra. Ny 4200 no natao tany amin’ny toby fitanana ary anisan’izany Atoa Rudolph. Namoy ny ainy ny 1 500 teo ho eo tamin’izy ireo. Nigadra sivy taona i Rudolph teo ambany fitondran’ny Nazia, ary efa tany amin’ny toby fitanana dimy. Anisan’izany ireo toby malaza ratsy atao hoe Sachsenhausen sy Neuengamme. Olona maherin’ny 300 000 no nogadraina tao amin’ireo toby ireo, ary ny 140 000 tamin’ireo no maty.

Anisan’ireo gadra noterena hanorina ny toby fitanan’i Neuengamme tamin’ny 1940 i Richard Rudolph (eo ambony tafo, sisiny ankavanana).

Nafindra tao amin’ny tobin’i Salzgitter-Watenstedt Atoa Rudolph tamin’ny 1944. Sampan’ny tobin’i Neuengamme ihany io toby io. Nanda tsy hanao izay asa rehetra mifandray amin’ny famokarana fitaovam-piadiana izy noho ny zavatra ninoany, ka norahonana ho faty. Nisy miaramila SS iray tsara fanahy anefa gaga be nahita azy tsy nivadika tamin’ny finoany. Nafenin’io miaramila io tao anaty kamiao mpitondra sakafo izy ka tsy maty.

Mbola nanohy ireo asa mifandray amin’ny fivavahany i Rudolph, taorian’ny Ady Lehibe II. Tao amin’ny faritra nofehezin’ny Sovietika, izay lasa Repoblika Demokratikan’i Alemaina (RDA), izy tamin’izany. Nosamborina indray anefa izy tamin’ny 1950 ary nogadraina. Mahatratra 19 taona mahery raha atambatra ny fotoana nigadrany noho ny zavatra ninoany.

Ann-Jacqueline Frieser sy Richard Rudolph. Nahazo loka io vehivavy io tamin’ny 2009, noho ny lahatsoratra nosoratany momba ny tantaram-piainan’i Richard Rudolph.

Inona no tanjon’i Richard Rudolph nandritra ny taona maro? Nataony izay hiresahana tamin’ny olona ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Niezaka koa izy nampita ny lesona nianarany tamin’ny lasa, mifandray amin’ireo loza vokatry ny fanavakavahana. Nanadinadina an’i Richard Rudolph sy nanoratra ny tantaram-piainany i Ann-Jacqueline Frieser, mpianatra alemà, tamin’ny 2009. Vokatr’izany, dia nahazo loka roa izy tamin’ilay Fifaninanana Momba ny Tantara nitondra ny lohateny hoe “Ireo Mahery Fo: Nomem-boninahitra Nefa koa Nolazaina fa Diso sy Nohadinoina”, nalamin’ny fitondran’ny Repoblika Federalin’i Alemaina. Azony ny loka voalohany natolotry ny fanjakan’i Rhénanie-Palatinat. Izy koa no anisan’ireo mpianatra telo voalohany nahazo ny loka natolotry ny Repoblika Federaly.

Hoy i Wolfram Slupina, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina: “Tsy hoe namana tena tianay sy mpiara-mivavaka aminay fotsiny i Richard Rudolph. Nahalalana zavatra maro teo amin’ny tantara koa izy. Niavaka ny finoany sy ny herim-pony, ka modely ho antsika rehetra izy.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110