Hijery ny anatiny

9 OKTOBRA 2013
ALEMAINA

Fitokanana Tsangambato Ahatsiarovana Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina

Fitokanana Tsangambato Ahatsiarovana Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina

SELTERS, any Alemaina—Notokanana tany Lautertal-Reichenbach ny tsangambato ahatsiarovana an’i Max Liebster, tamin’ny 21 Jona 2013. Vavolombelon’i Jehovah izy ary nigadra nandritra ny dimy taona mahery tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia. Notokanan’ny ben’ny tanàna sy ny manam-pahefana hafa ilay tsangambato, ary nanatrika teo koa ny mponina teo an-toerana sy Simone Liebster, vadin’i Max Liebster, izay Vavolombelon’i Jehovah koa.

Jiosy i Liebster ary nipetraka tany Alemaina nandritra ny fitondran’i Hitler. Nosamborin’ny polisy izy tamin’ny 1939, ary nijalijaly tany amin’ny toby fitanana dimy: Sachsenhausen, Neuengamme, Auschwitz, Buna, ary Buchenwald. Maty tany amin’ny toby fitanana ny valo tamin’ny havany, anisan’izany ny rainy. Izy mihitsy no nibata ny vatana mangatsiakan’io rainy io nankany amin’ny fandoroana faty tao Sachsenhausen.

Ninamana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah niara-nigadra taminy tany amin’ny toby fitanana i Liebster. Natao batisa izy rehefa nafahana tamin’ny 1945, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Voalaza eo amin’ny takelaka halimo iray eo amin’ireo tsangambato fa ny finoany no tsy nahafaty azy sy nahatonga azy tsy haniry ho faty. Tamin’ny 2008 izy vao nodimandry, teo amin’ny faha-93 taonany.

Voalaza tao amin’ny taratasy fanasana tamin’ilay fitokanana hoe “resy lahatra tanteraka [i Liebster] fa afaka manampy olona hanana toetra faran’izay tsara ny fampianarana kristianina.” Hoy i Wolfram Slupina, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina: “Faly izahay hoe tsarovana ny herim-pon’ny mpiray finoana aminay, izay nijoro tamin’ny heviny na dia nenjehina noho ny fivavahany aza. Porofoin’ireo tsangambato ireo fa mahavita mandrisika ny olona ho tia fihavanana sy hiray saina ny Baiboly, ary izany indrindra no ezahin’ny Vavolombelon’i Jehovah atao.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110