Hijery ny anatiny

1 MEY 2013
ALEMAINA

Vavolombelon’i Jehovah Tany Alemaina Nomena Mari-boninahitra

Vavolombelon’i Jehovah Tany Alemaina Nomena Mari-boninahitra

SELTERS, any Alemaina—Nanome meday ho mari-boninahitra an’i Mathilde Hartl, Vavolombelon’i Jehovah, i Horst Seehofer, praiminisitra any Bavière tamin’ny 22 Febroary 2013. Io no mari-pankasitrahana ambony indrindra omen’ny Repoblika Federalin’i Alemaina ho an’izay olona nanao asa soa ho an’ny firenena.

Mipetraka any Bavière i Hartl ary manan-janaka malemy 26 taona antsoina hoe Martin. Noho izy nikarakara an’io zanany io nandritra ny taona maro no nanomezana azy an’ilay mari-pankasitrahana. Efa hatramin’ny mbola kely i Martin no voan’ilay karazan’aretin-kozatra atao hoe DMD (Dystrophie Musculaire de Duchenne) ka lasa nalemy tsikelikely ny hozany ary nihaosa izy. Mifoha matetitetika àry i Hartl amin’ny alina mba hikarakarana izay ilain’ilay zanany. Jereny matetika, ohatra, raha miaina ara-dalàna izy ary ataony izay ialan’ny rehoka ao amin’ny lalan-drivotr’ilay zanany mba hisorohana ny aretina toy ny pnemonia. Tratran’ny DMD koa i Max, zandrin’i Martin, sady voan’ny aretin-tsaina. Tia azy mirahalahy anefa i Hartl ary nikarakara azy ireo nandritra ny taona maro. Mampalahelo fa maty tamin’ny 2008 i Max, tamin’izy 19 taona.

Nilaza i Hartl fa noho ny zavatra inoany no nahavitany an’izany fikarakarana be izany. Hoy izy: “Vavolombelon’i Jehovah aho ka tena manaja ny aina. Na dia marary aza ny zanako dia te hanampy azy hankafy fiainana aho raha mbola misy azoko atao.”

Nidera an’i Hartl sy ny olon-kafa nomena mari-pankasitrahana ny Praiminisitra Seehofer. Nilaza izy fa samy niezaka daholo izy rehetra mba hanatsara zavatra na dia kely aza.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110