12 SEPTAMBRA 2024
ANGOLA
Foara Iraisam-pirenena Tany Angola: Naseho Tamin’ny Olona 200 Mahery ny Fomba Fianarana Baiboly
Natao tany Luanda, any Angola, ilay foara hoe Luanda International Fair andiany faha-39, tamin’ny 23 ka hatramin’ny 28 Jolay 2024. Efa ho 1 800 ny mpandray anjara tamin’io foara fanao isan-taona io, ary efa ho 100 000 ny mpitsidika. Nanana tranoheva koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nampiranty boky sy gazety ary video tamin’ny fiteny sivy. Nisy toerana azo nipetrapetrahana tao amin’ilay izy, ary afaka nankeo ny mpitsidika raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fampianarana Baiboly ataontsika. Im-227 isika no nampiseho hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fianarana Baiboly, ary 100 mahery ny olona nangataka hotsidihina any an-tranony.
Nisy vehivavy iray nanatona teo amin’ilay tranoheva ary niteny hoe te hahafantatra bebe kokoa momba ny Baiboly, hono, izy. Nanasa azy hianatra àry ny anabavy iray. Nametraka fanontaniana be dia be ilay vehivavy nandritra ny resaka nifanaovan’izy ireo, ary tena nahaliana azy ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny hoavy. Faly erỳ izy izao miara-mianatra Baiboly tsy tapaka amin’ilay anabavy.
Nisy vehivavy iray hafa koa gaga be rehefa nahalala hoe mampianatra Baiboly maimaim-poana isika. Nohazavain’ny anabavintsika iray taminy hoe manao an’izany isika satria te hizara ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona faran’izay betsaka araka izay azo atao. Rehefa fantatr’ilay anabavy hoe efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay vehivavy taloha, dia nasehony azy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? Faly be ilay vehivavy nahafantatra hoe afaka manatrika ny fivoriantsika ny olona rehetra, ary niteny izy hoe te hahafantatra bebe kokoa, hono, izy.
Faly erỳ ny vehivavy iray avy any Portogaly nahita hoe nandray anjara tamin’ilay foara ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy mpiray tanàna aminy Vavolombelon’i Jehovah, hono, miresadresaka aminy matetika. Hoy izy: “Mampiaiky ahy mihitsy ny fikambananareo, dia te hahafantatra bebe kokoa momba azy io aho.” Nampanantena izy hoe hianatra Baiboly amin’ilay mpiray tanàna aminy rehefa tafaverina any Portogaly.
Faly isika hoe misy olona be dia be te hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly any Angola, sady vonona hanaiky an’ilay fanasan’i Jehovah “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17.