Hijery ny anatiny

4 AOGOSITRA 2023
ANGOLA

Navoaka Tamin’ny Fiteny Nyaneka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Fiteny Nyaneka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Namoaka Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny nyaneka ny Rahalahy Salvador Domingos, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Angola, tamin’ny 28 Jolay 2023. Nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Manàna Faharetana”!, tany Lubango, any Huila, any amin’ny faritra atsimon’i Angola, no navoaka ilay Baiboly. Nisy 2 621 ny mpanatrika ary samy nahazo Baiboly vita pirinty ry zareo. Efa azo nalaina tamin’io fotoana io koa ny endrika elektronika.

Mipetraka any amin’ireo tanàn-dehibe any Angola ny ankamaroan’ny olona miteny nyaneka, ohatra hoe any Benguela, Cunene, Huila, ary Namibe. Any amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana any Lubango no atao ny fandikan-teny amin’ny fiteny nyaneka.

Misy boky sasany ao amin’ny Baiboly efa navoakan’ny fikambanana ara-baiboly sasany, tamin’ny teny nyaneka. Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anefa ny Baiboly voalohany voadika manontolo amin’io fiteny io. Betsaka ny fitenim-paritra nyaneka fa nanao ezaka be ny ekipa mpandika teny mba ho izay teny tena fampiasan’ny besinimaro no hampiasaina.

Vao mainka hahavita hanampy olona betsaka kokoa hianatra momba an’i Jehovah sy hanompo azy ny rahalahy sy anabavy miteny nyaneka satria nahazo an’io Baiboly io. Miara-paly amin-dry zareo isika noho izany.​—Isaia 2:3.