Hijery ny anatiny

20 JANOARY 2021
ANGOLA

Navoaka Tamin’ny Teny Umbundu ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Umbundu ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka tamin’ny endrika elektronika Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny umbundu, tamin’ny 16 Janoary 2021. Nalaina video mialoha ilay fandaharana ary afaka nijery an’izany ny fiangonana rehetra mampiasa teny umbundu any Angola. Ny rahalahy Genésio Verdiano, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Angola no namoaka an’ilay Baiboly.

Ny teny umbundu no be mpiteny indrindra any Angola satria olona fito tapitrisa eo ho eo no mampiasa azy io any. Maherin’ny 6 500 ny mpitory miteny umbundu any.

Mpandika teny enina no nandika an’ilay Baiboly nandritra ny dimy taona, ka nizara ho ekipa roa izy ireo. Hoy ny iray tamin’ireo mpandika teny: “Mora azo io fandikan-teny vaovao io, ka ho azontsika an-tsaina tsara izay resahin’ny Soratra Masina. Ho mora koa ny hampita ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona itoriana na ampianarina.”

Hoy ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Fantatsika fa rehefa mamaky ny Baiboly amin’ny fiteniny ny olona dia lasa azon-dry zareo tsara ny fahamarinana. Tsy andrintsika ny hahita ny fomba hampiasan’i Jehovah an’io fandikan-teny amin’ny teny umbundu io mba hanampiana olona betsaka kokoa hahalala ny fahamarinana.”—2 Tesalonianina 3:1.