Hijery ny anatiny

18 OKTOBRA 2023
ANGOLA

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Angoley ny Bokin’i Matio sy ny Asan’ny Apostoly

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Angoley ny Bokin’i Matio sy ny Asan’ny Apostoly

Nampandrenesin’ny Rahalahy Johannes De Jager, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Angola, tamin’ny fivoriana manokana iray natao tamin’ny 23 Septambra 2023 hoe efa misy amin’ny Tenin’ny Tanana Angoley (TTA) izao ny bokin’i Matio sy ny Asan’ny Apostoly. Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tao Luanda, any Angola, ilay fivoriana manokana ary 1 881 teo ho eo no nanatrika an’ilay izy. Tonga dia azo nalaina tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library Sign Language ireo boky voadika amin’ny TTA ireo.

Efa ho 360 000 eo ho eo ny isan’ny marenina any Angola. Tamin’ny 2010 no nisy fiangonana voalohany nampiasa ny TTA. Amin’izao kosa dia 37 ny isan’ny fiangonana mampiasa ny TTA, 7 ny antoko-mpitory, 1 ny antoko-mpitory santatra, ary 1 000 mahery ny tontalin’ny mpitory ao amin’ireo rehetra ireo.

Sambany izao vao hoe misy boky ao amin’ny Baiboly voadika amin’ny TTA. Rehefa avy nijery ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny rahalahy iray, dia niteny hoe: “Velombelona be ny fomba nandikana ny Asan’ny Apostoly 8:26-30, ilay mitantara hoe nihazakazaka nanatratra an’ilay tandapa etiopianina i Filipo. Lasa azoko kokoa izao hoe fa maninona aho no mila miezaka mafy foana eo amin’ny fanompoana.”

Matoky isika hoe noho ireo boky roa vao nivoaka amin’ny TTA ireo, dia ho betsaka kokoa ny olona hahatsapa hoe ‘miramirana amin’izy ireo’ i Jehovah ary tia azy ireo.​—Nomery 6:25.