Hijery ny anatiny

29 NOVAMBRA 2021
ANGOLA

Nivoaka Tamin’ny Teny Kimbundu Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Kimbundu Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny endrika elektronika Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny kimbundu, tamin’ny alahady 21 Novambra 2021. Ny Rahalahy Eric Raffaeli, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Angola, no namoaka an’ilay Baiboly. Amin’ny 2022 kosa no hivoaka ny Baiboly vita printy. Noraisina video mialoha ilay fandaharana, ka 11 000 teo ho eo ny mpanatrika an’ilay izy.

Tsy navelan’ny mpanjana-tany portogey hampiasaina tany an-tsekoly ny fiteny kimbundu sy ny fiteny afrikanina hafa, tamin’ny 1920 tany ho any. Efa ho 1 700 000 eo ho eo anefa izao ny olona miteny kimbundu any Angola, anisan’izany ny mponina ao Luanda, renivohitr’ilay tanàna. Io no anisan’ny fiteny fampiasan’ny ankamaroan’ny olona ao amin’ilay tany.

Tamin’ny voalohandohan’ny taona 1990 tany ho any ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka namoaka boky sy gazety tamin’ny teny kimbundu. Tamin’ny 2008 anefa vao nisy ny fiangonana voalohany miteny kimbundu. Efa 55 izao ny fiangonana mampiasa an’io fiteny io, ary 2 614 ny mpitory manompo any amin’ireo fiangonana ireo.

Rahalahy iray anisan’ny ekipa mpandika teny kimbundu, miasa avy any an-tranony

Mora azon’ny ankamaroan’ny olona ity fandikan-teny vaovao ity raha oharina amin’ny Baiboly nampiasaina teo aloha. Hoatran’izao ohatra ny nandikana ny Matio 5:3 tamin’ilay Baiboly teo aloha: “Hotahina izay manana fanahy mahantra.” Ao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anefa ilay izy nadika hoe: “Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”

Nilaza ny mpandika teny iray hoe: “Mino aho fa tena ho fitahiana be ho an’ny olona miteny kimbundu ity Baiboly ity. Hanampy an-dry zareo hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah izy ity rehefa ampiasainy amin’ny fianarany samirery sy eny amin’ny fanompoana. Tena tombontsoa be ho an’ahy ny nandray anjara tamin’ity tetikasa ity na dia kely aza ny vitako. Io Baiboly io amiko no porofo hoe be fitiavana sy tsara fanahy i Jehovah.”

Fantatsika fa tena hanampy ny rahalahy sy anabavy miteny kimbundu ity Baiboly ity, mba hanampian-dry zareo ny olona liana “hahazo ny dikan’ny zava-miafina masina momba ny Fanjakan’Andriamanitra.”​—Lioka 8:10.