Hijery ny anatiny

13 DESAMBRA 2019
AOSTRALIA

Afo Mandravarava any Aostralia

Afo Mandravarava any Aostralia

Velaran-tany iray tapitrisa hektara mahery no main’ny afo nisesisesy tany Nouvelle-Galles Atsimo sy tany Queensland, any Aostralia, ka tranona mpivady Vavolombelon’i Jehovah iray no rava. Tsy nisy Vavolombelona maty na naratra ary tsy nisy Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe simba.

Miahiahy ny manam-pahefana hoe nisy nanao fanahy iniana nandrehitra ny afo sasany. Olona enina no maty ary trano 650, fara fahakeliny, no rava, nanomboka tamin’ny Septambra.

Rahalahy sy anabavy 200 eo ho eo no tsy maintsy niala tamin’ny tranony, fa efa tafaverina daholo izy ireo izao. Karakarain’ny mpiara-manompo kosa ilay mpivady rava trano. Mampahery an’ireo tra-doza amin’ny alalan’ny Baiboly ny anti-panahy.—Asan’ny Apostoly 20:28.