Hijery ny anatiny

Ankavia: Manao lahateny ara-baiboly mampahery ho an’ireo miasa eo amin’ilay sehatra hanaovana filma ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Ambony ankavanana: Fakana video ao anaty trano. Ambany ankavanana: Fakana video eny ivelany

26 AOGOSITRA 2022
AOSTRALIA

Dingana Lehibe no Vita Tamin’ny Fakana Video ny Fizarana 1 Amin’ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy

Dingana Lehibe no Vita Tamin’ny Fakana Video ny Fizarana 1 Amin’ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy

Efa mandeha ny fakana video ny Fizarana 1 amin’ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy, ary vita tamin’ny 12 Aogositra 2022 ny tapany voalohany. Hanomboka tsy ho ela ny tapany faharoa rehefa avy niato kely, ary antenaina ho vita amin’ny Oktobra 2022.

Araka ny efa nolazaina teo aloha, dia tamin’ny 20 Mey 2022 no nanomboka ny fakana video Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy, ary tao anaty trano no tena nanaovana azy. Mbola nisy tsy vita anefa tamin’ilay trano hampiasain’ny olona miasa amin’ilay tetikasa, sady mbola tsy afaka nanamboatra sehatra teny ivelany hanaovana an’ilay filma ireo rahalahy. Nila taratasy fahazoan-dalana daholo mantsy izany. Azo ihany ilay izy tamin’ny 15 Jolay 2022, ka afaka nandefa ny fitaovana rehetra hanaovana an’ilay trano sy sehatra ny Sampan-draharaha ao Amin’ny Sampan’i Aostralazia Misahana ny Fanorenana. Ny Ekipa Mpikarakara Video Isam-paritra (RVT) avy eo no nandray an-tanana ny fananganana azy. Efa vonona hampiasaina amin’ilay tetikasa daholo izao ny zava-drehetra.

Ilay trano hampiasain’ny Ekipa Mpikarakara Video Isam-paritra (RVT). Ireto avy no ao: Lakozia, efitra fisakafoana, birao, ary toerana fanaovana volo sy makiazy. Ao anatin’io vala io no hasiana an’ireo biby hiseho ao amin’ilay video

Mpiasa an-tsitrapo 500 mahery avy any Aostralia sy Nouvelle-Zélande no nandray anjara tamin’ny fanamboarana an’ilay sehatra mirefy 7 000 metatra toradroa mahery. Natao mifanaraka tsara amin’ny paozin’ny tanàna fahiny ilay izy. Niresaka momba an’ilay fanorenana ny Rahalahy Russell Grygorcewicz, mpandrindra ny Komitin’ny Fanorenana. Hoy izy: “Be dia be ny olana natrehinay, nefa tena hitanay hoe nanampy anay handresy azy ireny i Jehovah. Tsy isalasalana hoe ny fanahin’i Jehovah no nahavitana an’izao zavatra rehetra izao.”

Nanatrika ampahany betsaka tamin’ilay fakana video tapany voalohany ny Rahalahy Ronald Curzan, mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana. Hoy izy: “Tena mahavariana ilay hoe mahay miara-miasa sy mifanaraka tsara ireo mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana sy ny fianakavian’ny Betela. Mahafinaritra koa ny mahita hoe miasa amin’ny fomba feno daholo ny sehatra sy ny fitaovana rehetra, taorian’izay taona maro nanomanana sy nananganana azy izay. Ankoatra izay, dia tena mahafaly ilay hoe manohana be an’ilay tetikasa ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampana. Azo antoka fa hanohina ny fon’ny olona eran-tany io video misy fizarana 18 io, izay miresaka momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany.”

Teo ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny famaramparanana an’ilay fakana video tapany voalohany. Hoy izy: “Hita mihitsy hoe ny tanan’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, no manohana an’ity tetikasa ity. Misaotra azy isika ary misaotra an’izay rehetra nandray anjara tamin’ny fanamboarana ny sehatra sy ny fakana video koa, satria nahafoy tena sy niasa mafy tamim-pitiavana ry zareo. Mivavaka isika hoe hanampy olona be dia be hanaraka akaiky kokoa ny dian’i Jesosy sy hanatona an’i Jehovah io video mifampitohy tena miavaka io.”

 

Fidirana ao amin’ilay tanàna fahiny

Ampahany amin’ilay tanàna fahiny efa vita, raha tazanina avy eny ambony

Valan’ondry (eo anoloana) eo ivelan’ilay tanàna fahiny

Tsena

Toerana misy ny tranom-panjakana