Hijery ny anatiny

10 JANOARY 2020
AOSTRALIA

Mbola Misy Afo Mandrava Foana any Aostralia

Mbola Misy Afo Mandrava Foana any Aostralia

Tamin’ny herintaona, tany Aostralia, no nafana sy maina indrindra hatramin’izay ka mihabetsaka foana ny afo mirehitra ho azy. Tratran’ny afo mandravarava be daholo ny faritany rehetra any Aostralia, nanomboka tamin’ny Septambra 2019, nefa vao ny fanombohany izany. Ny any amoron-tsiraka sy ny any atsimoatsinanana, any Victoria sy Nouvelle-Galles Atsimo, no tena voa mafy.

Tsy misy mpiara-manompo maty na naratra, araka ny tatitra voaray, fa trano maro no simba, ary trano sivy no rava tanteraka. Mpiara-manompo 700 mahery izao no efa nafindra toerana. Maro amin’izy ireo no nanapa-kevitra hifindra noho ny setroka. Milaza ny manam-pahaizana sasany hoe tamin’ity no naloto indrindra ny rivotra ka tena mampidi-doza ho an’ny fahasalamana. Ny ankamaroan’ireo nifindra no nankany amin’ny havany na namany na any amin’ny mpiara-manompo any amin’ny fiangonana manodidina, any amin’ny toerana tsy nolalovan’ny afo.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky roa ny sampan’i Aostralazia mba hikarakarana an’izay ilain’ny mpiara-manompo sy hampaherezana azy ireo. Mitsidika sy mampahery ny mpiara-manompo any amin’ny toerana tratran’ny loza ny mpiandraikitra ny faritra roa sy ny rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana. Na dia reraka be sy miady saina mafy aza ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavy mipetraka any amin’ny toerana nisy afo, dia tena ankasitrahan’ny maro amin’izy ireo ny mpiara-manompo satria be fitiavana foana.—1 Petera 2:17.