Hijery ny anatiny

29 NOVAMBRA 2019
AOSTRALIA

Melbourne, Aostralia: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Melbourne, Aostralia: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 22-24 Novambra 2019

  • Toerana: Marvel Stadium any Melbourne, Aostralia

  • Fiteny: Anglisy, espaniola, koreanina, sinoa kantôney, sinoa mandarin, tagalog, tenin’ny tanana aostralianina, vietnamianina

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 46582

  • Tontalin’ny natao batisa: 407

  • Solontena avy any ivelany: 6083

  • Sampana nasaina: Afrika Atsimo, Arzantina, Etazonia, Hong-Kong, Inde, Italia, Japon, Kanada, Korea, Nosy Salomon, Philippines, Taïwan

  • Fitantarana: Hoy ny mpitantana ny Ballarat Wildlife Park: “Sahiko ny milaza fa hatramin’izay 15 taona niasako tato amin’ny Ballarat Wildlife Park izay, dia ianareo no tena mahafinaritra sy milamina indrindra. Misaotra betsaka anareo sy ny guides rehetra nampiasainareo.”

    Hoy ny mpitantana hotely iray momba ny solontena 340 avy any ivelany nipetraka tao amin’ilay hotely niasany: “Niara-nitady vahaolana daholo ny rehetra rehefa nisy olana. Hoatran’ny hoe mpihavana daholo ry zareo dia mifampiresaka sy mifanohana tsara. Tena tiako aloha ny niaraka tamin-dry zareo e! Efa 11 taona izay no nanaovako an’ity asa ity fa sambany aho vao nahita hoatran’iny.” Nanatrika fivoriambe io mpitantana hotely io ny asabotsy satria tiany be ny niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

 

Mpiara-manompo miarahaba tonga soa an’ireo vahiny ao amin’ny biraon’ny sampan’i Aostralia any Denham Court, tsy lavitra an’i Sydney

Rahalahy sy anabavy mankao amin’ilay toerana hanaovana fivoriambe

Solontena avy any ivelany manao hira fiderana ho an’i Jehovah

Mamihina ny reniny ny anabavy kely iray avy natao batisa

Ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny famaranana ny zoma

Mpanompo manontolo andro manokana manofahofa tanana amin’ny mpanatrika

Solontena avy any ivelany miara-maka sary

Anabavy maromaro mandihy amin’ny korana takariva