3 FEBROARY 2023
AOSTRALIA
Olona avy Amin’ny Firenena Maro no Naheno ny Vaovao Tsara Noho ny Fampirantiana Natao Tamin’ny Fotoan-dehibe Iray Tany Aostralia
Vavolombelon’i Jehovah 300 teo ho eo, avy amin’ny faritra rehetra eran’i Aostralia, no nandray anjara tamin’ny fampirantiana natao nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena natao tao Wollongong, any Aostralia. Fifaninanana hazakazaka am-bisikileta ilay izy ary natao tamin’ny 18 ka hatramin’ny 25 Septambra 2022. Olona 200 000 mahery avy amin’ny firenena 70 mahery no tonga hijery an’io fifaninanana io isan-taona.
Boky sy gazety 600 mahery no voazaran’ireo rahalahy sy anabavy. Be dia be koa ny olona nampian-dry zareo mba haka boky tamin’ny fiteniny tao amin’ny tranonkalantsika. Nisy olona 18 koa nangataka hianatra Baiboly. Lasa mivory tsy tapaka ny dimy amin’ireo olona ireo, nanomboka tamin’ny volana Septambra. Marina mihitsy ny tenin’ny rahalahy iray hoe: “Tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’ireo rahalahy sy anabavy rehetra nandray anjara tamin’ilay fampirantiana.” Hoy ny mpitory iray hafa: “Tena nahatamana be ny niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy. Nahazo fahatsiarovana mahafinaritra be dia be aho rehefa nody, sady vao mainka lasa nazoto nitory.”
Tena faly ireo rahalahy sy anabavy any Aostralia mampahafantatra amin’ny olona hoe “tena miavaka ilay Andriamanitsika”, ary miara-paly amin-dry zareo isika!—Deoteronomia 32:3.