Hijery ny anatiny

15 FEBROARY 2019
AOSTRALIA

Tratran’ny Tondra-drano Be i Queensland, any Aostralia

Tratran’ny Tondra-drano Be i Queensland, any Aostralia

Nisy oram-be tany amin’ny faritra avaratratsinanan’i Aostralia ka niteraka tondra-drano be. Olona an’arivony no tsy maintsy nafindra toerana, betsaka ny fananan’olona simba, ary tapaka ny herinaratra.

Araka ny tatitry ny sampan’i Aostralazia, dia mpitory 58 avy amin’ny fiangonana telo no tsy maintsy nifindra trano any amin’ny havany na any amin’ny Vavolombelona hafa. Trano folo ipetrahan’ireo rahalahintsika no dibo-drano ary simba tanteraka ny roa amin’izy ireo.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny sampana. Mampahery an’ireo mpitory niharam-boina koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy. Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavintsika isika mba hahavita hiaritra izy ireo ary hahazo fampaherezana avy amin’ny mpiandry be fitiavana.—1 Petera 5:2.