Hijery ny anatiny

11 JANOARY 2013
AOSTRALIA

Afo Manerana An’i Tasmania

Afo Manerana An’i Tasmania

Niakatra be loatra ny hafanana tany Tasmania, any Aostralia, ka nampirehitra afo tany amin’io nosy io. Nanimba zavatra maro tao Dunalley, tanàna kely any akaikin’i Hobart renivohitra, ny afo. Mbola tsy fantatra raha nisy maty na tsia, saingy maromaro ny olona tsy hita tadiavin’ny polisy. Manao tatitra ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tranona Vavolombelona iray no rava. Vavolombelona maro no nandao ny tranony ary nialokaloka tany amin’ny mpiara-mivavaka aminy. Nandamina komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’i Sydney mba hikarakarana sy hampaherezana an’ireo tra-boina.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Aostralia: Donald MacLean, tel. +61 2 9829 5600