Hijery ny anatiny

11 APRILY 2017
AOSTRALIA

Namely An’i Aostralia ny Rivo-doza Debbie

Namely An’i Aostralia ny Rivo-doza Debbie

Namely ny morontsiraka avaratr’i Queensland sy ireo nosy teny akaiky ny Rivo-doza Debbie, tamin’ny talata 28 Martsa 2017. Sokajy fahefatra io rivo-doza io satria nahatratra 260 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany. Be dia be ny hazo nianjera, ny trano simba, ary ny sambo niantonta teny amin’ny torapasika. Nisy tondra-drano be koa tany amin’ireo tanàna lehibe sy kely tany amin’ny faritra atsimon’i Queensland sy ny faritra avaratr’i Nouvelle-Galles Atsimo. Olona an’aliny àry no tsy nisy jiro.1

Araka ny tatitra voaray hatreto, dia tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra mafy na maty. Be dia be anefa ny tranon’ny Vavolombelona simba, ary rava tanteraka ny anankiray. Simba koa ny Efitrano Fanjakana (toeram-pivavahana) anankiroa.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky anankiroa ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Aostralia, mba handrindra ny fanampiana, sy hanome gropy sy sakafo ary rano ho an’ireo tra-boina. Miezaka mampahery an’ireo Vavolombelona namany koa ny mpiandraikitra eo an-toerana.2

Manampy an’ireo komitin’ny vonjy rano vaky koa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe, satria mandefa vola avy amin’ireo fanomezana natao ho an’ny asan’izy ireo maneran-tany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1-845-524-3000

Aostralazia: Rodney Spinks, tel. +61-2-9829-5600