Hijery ny anatiny

15 FEBROARY 2013
AOSTRALIA

Manampy Tra-boina any Aostralia ny Vavolombelon’i Jehovah

Manampy Tra-boina any Aostralia ny Vavolombelon’i Jehovah

SYDNEY—Tratran’ny tondra-drano ny faritra atsinanan’i Aostralia rehefa avy nolalovan’ny Rivo-doza Oswald. Nitondra rambondanitra sy onja avo be ary oram-be mivatravatra tany Queensland sy tany amin’ny faritra avaratr’i Nouvelle-Galles Atsimo izy io. Olona 4, fara fahakeliny, no maty ary 1 000 mahery no voatery nandao ny fonenany. Voa mafy tamin’iny rivo-doza iny ny tanànan’i Bundaberg, any amin’ny morontsirak’i Queensland, satria tratran’ny tondra-drano sy nolalovan’ny rambondanitra dimy. Io tondra-drano io no anisan’ny nitondra fahavoazana be indrindra tato anatin’ny 100 taona.

Nanao tatitra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Sydney fa tsy nisy Vavolombelona naratra na namoy ny ainy. Trano 53 an’ny Vavolombelona anefa, fara fahakeliny, no simba ka Vavolombelona 70 mahery no tsy manan-kialofana. Tsy maintsy nafindra toerana izy ireo ary helikoptera no naka ny sasany taminy. Ampiantranoin’ny Vavolombelona namany sy ny olon-kafa izy ireo izao.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny anti-panahy Vavolombelona teo an-toerana mba handaminana ny fanampiana tra-boina. Nahatratra 250 koa ny Vavolombelona nirotsaka an-tsitrapo hanampy an’ireo niharam-boina tany Bundaberg. Avy any amin’ny 160 kilaometatra mahery miala eo mihitsy aza ny sasany.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Aostralia: Donald MacLean, tel. +61 2 9829 5600