1 NOVAMBRA 2012
AOTRISY
Nasaina Nandoa Onitra Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Aotrisy
STRASBOURG, Frantsa—Namoaka didy nanameloka an’i Aotrisy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 25 Septambra 2012, noho izy nanavakavaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasaina nandoa 13 000 euros latsaka (38 700 000 ariary eo ho eo) àry ny fanjakana mba hanonerany izay lanin’ny Vavolombelona tamin’ny fikarakarana an’izany tany amin’ny fitsarana.
Tsy navelan’ny fanjakan’i Aotrisy niditra tao amin’ny taniny ny Vavolombelon’i Jehovah roa avy any Philippines, tamin’ny 2002. Saika hampahery an’ireo Vavolombelona miteny tagalog mipetraka any Aotrisy izy ireo. Ankoatra izany, dia nasain’ny fanjakana nandoa hetra noho ny fanomezana ara-pivavahana voarainy ny Vavolombelona, tamin’ny 1999. Izany no nataon’ny fanjakana tamin’ireo raharaha roa ireo satria tsy ekeny ho “fikambanana ara-pivavahana” ny Vavolombelon’i Jehovah fa “mpivavaka” fotsiny. Lasa tsy mahazo ny tombontsoa sasany azon’ny fivavahana hafa àry ny Vavolombelon’i Jehovah.
Iny didy iny no fanineniny amin’ny nanomezan’io Fitsarana Eoropeanina io rariny ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nanamelohany an’i Aotrisy. Manamafy ny fitsarana nataony tamin’ny 2008 izany. Voalaza tamin’izay fa tokony hekena “haingana” ho “fikambanana ara-pivavahana” ny Vavolombelona satria “efa ela no nisiany maneran-tany” sy tany Aotrisy.
Manantena ny Vavolombelona hoe handray soa ny mpiara-mivavaka aminy sy ny olom-pirenen’ireo tany anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina, noho iny fandresena farany iny. Ho voaro kokoa mantsy ny zon’ny olona, ary ho voasoroka ny fanavakavahana ara-pivavahana.
Filazam-baovao:
J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000
Aotrisy: Johann Zimmermann, tel. +43 1 804 53 45