Hijery ny anatiny

7 OKTOBRA 2015
AOTRISY

Nikabary ny Ben’ny Tanàna Rehefa Notsarovana Ilay Vavolombelon’i Jehovah Aotrisianina Novonoin’ny Nazia

Nikabary ny Ben’ny Tanàna Rehefa Notsarovana Ilay Vavolombelon’i Jehovah Aotrisianina Novonoin’ny Nazia

Gabriele Votava, ben’ny tanànan’i Meidling, any Vienne, mikabary.

VIENNE—Olona 400 teo ho eo no nanatrika ny fahatsiarovana an’i Gerhard Steinacher, tamin’ny 13 Mey 2015. Vavolombelon’i Jehovah izy ary tsy nety niditra tamin’ny tafika alemà ka novonoin’ny Nazia, 75 taona lasa izay. I Gabriele Votava, ben’ny tanànan’i Meidling any Vienne, no nikabary. Naseho vahoaka ilay takelaka fahatsiarovana natao teo ivelan’ny tranon-dry Steinacher taloha, any Meidling, any Lägenfeldgasse 68.

Izao no lohatenin’ilay fandaharana: “Tsy vitako ny hitifitra.” Izay mantsy no nolazain’Atoa Steinacher tamin’izy nangataka mba tsy hovonoina. Hita amin’ireo teny vitsy ireo hoe inona no tena ninoan’Atoa Steinacher. Zava-dehibe taminy, ohatra, ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 19:19 hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”

Nianatra Baiboly i Gerhard tamin’ny mbola tanora. Nanapa-kevitra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’izy 17 taona. Nosamborina izy tamin’ny 15 Septambra 1939, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany sady tsy nety nianiana hoe tsy hivadika amin’i Hitler. Nogadraina iray volana sy tapany tany Vienne izy, ary avy eo nafindra tao amin’ny fonja Moabit any Berlin, any Alemaina.

Nalaina am-bavany voalohany Atoa Steinacher tamin’ny 11 Novambra 1939. Nampangaina ho manohintohina ny ezaka atao amin’ny ady izy ka voaheloka ho faty. Nangataka izy mba hamindrana fo noho ny zavatra inoany. Nanamafy ny fanapahan-keviny anefa ny Reichskriegsgericht (Fitsaran’ny Miaramila Reich), tamin’ny 2 Martsa 1940, ka nomelohina ho faty ihany izy. Notapahina àry ny lohan’Atoa Steinacher tamin’ny 30 Martsa 1940, tao amin’ny fonjan’i Plötzensee, any Berlin. Vao 19 taona izy tamin’izay.

Mbola notohizina tany amin’ny kianja Volkshochschule ilay fandaharana. Naseho tamin’ny alalan’ny fampirantiana ny tantaran-dry Steinacher mianakavy. Anisan’ny zavatra naseho tao ny baoritra kely iray, hita tamin’ny 1976. Nisy taratasy 28 tao. Nalefan’i Ignatz sy Luise Steinacher ho an’i Gerhard zanany, tamin’izy nigadra, ireo taratasy ireo. Nisy cartes postales 25 sy taratasy maromaro nalefan’i Gerhard koa tao, mba hampaherezana ny ray aman-dreniny sy hanamafisana amin’izy ireo hoe mbola manam-pinoana toa azy ireo izy.

Rehefa maty i Luise, renin’i Gerhard, tamin’ny 1976, dia hita tao an-tranon’izy ireo ity baoritra feno taratasy sy cartes postales ity.

Mitantara an’ilay fankalazana ny lahatsoratra iray ao amin’ny Wiener Bezirkszeitung, gazety mpiseho isan-kerinandro any Vienne. Voalaza tao fa “fahatsiarovana miavaka” ilay izy, ka “lasa fantatry ny besinimaro” ny herim-pon’Atoa Steinacher. Midera an’Atoa Steinacher toy izao ilay lahatsoratra: “Vonona ho faty izy ho an’ny zavatra ninoany, izay tena niainany tokoa.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Aotrisy: Johann Zimmermann, tel. +43 1 804 53 45

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110