Hijery ny anatiny

21 JOLAY 2014
AOTRISY

Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah tao Amin’ny Toby Fitanan’i Gusen

Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah tao Amin’ny Toby Fitanan’i Gusen

SELTERS, any Alemaina—Tamin’ny alahady 13 Aprily 2014 no naseho vahoaka tao amin’ny toby fitanana taloha ao Gusen ny takelaka fahatsiarovana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 450 teo ho eo, izay nogadrain’ny Nazia tao amin’ny toby fitanan’i Mauthausen sy ilay trano fanampiny ao Gusen. Olona 130 mahery no nanatrika izany.

Ilay takelaka fahatsiarovana naseho ny mpanatrika, tao amin’ilay toby fitanan’i Gusen taloha, tamin’ny 13 Aprily 2014.

Rehefa tonga tao amin’ny toby fitanan’i Mauthausen ireo Vavolombelona dia norahonan’ny manam-pahefana tao hoe: “Tsy misy tafavoaka velona eto ny Mpianatra ny Baiboly.” Nigadra sivy taona tany Dachau sy Mauthausen ary Gusen i Martin Poetzinger, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, tatỳ aoriana. Hoy izy momba ny zavatra niainany tao Mauthausen: “Nitady izay fomba rehetra handravana ny finoanay, ny Gestapo.”

Toby fitanan’i Gusen tamin’ny Mey 1945. I Martin Poetzinger (mipetraka eo aloha, faharoa avy eo ankavia), miaraka amin’ny olon-kafa 23 tafavoaka velona, taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo.

Nafindra tany Gusen ny Vavolombelon’i Jehovah sasany tany Mauthausen, tatỳ aoriana. Toby “famonoana olona” no tena asan’ny tobin’i Gusen, ary efa tafiditra tao amin’ny fandaharam-potoana isan’andro ny namono olona. Nizarazara ireo Vavolombelona ka vitsivitsy izy ireo no niara-nivory isan-kalina mba hiresahana ny andinin-teny tadidin’izy ireo tsianjery. Nanao izany izy ireo mba hananana finoana matanjaka foana. Nahazo Baiboly izy ireo indray mandeha ary nozarazaraina ilay izy. Samy nanafina ny azy tany ambany fandrianany ny tsirairay. Isaky ny nanam-potoana kely izy ireo dia namaky, ary rehefa voavaky izany dia nampifanakalozina tamin’ny an’ny hafa.

Nitory an-tsokosoko momba ny Baiboly tamin’ny olon-kafa koa ny Vavolombelona. Nampianatra Baiboly tamin’ny voafonja poloney dimy izy ireo, ary nanamboatra kovetabe hazo mba hanaovana batisa azy ireo mangingina. Nisy Vavolombelona antsoina hoe Franz Desch nitory tamin’ny miaramila SS iray, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah izy io tatỳ aoriana.

Hoy i Wolfram Slupina, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Aotrisy: “Mahafaly anay hoe ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny herim-pony no ahatsiarovana azy ireo tany amin’ny toby fitanan’i Mauthausen sy Gusen. Nandresy ny ratsy izy ireo satria niezaka foana mba ho tsara fanahy sy ho tia olona, ka mendrika ny hotsarovana sy hotahafina.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Aotrisy: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110